airtel

Fifamoivoizana

19-nov-2025

TAXI MOTO MIARA-DIA

Tsy hisy intsony ny « Moto 2 temps » fa « 4 temps » no hiasa

Sample post image

Hanova ary hitondra ny anjara birikiny

19-nov-2025

amin'ny fanatsarana ny fidiram-bola ao anatin'ny kitapom-bolam-panjakana amin'ny alalan'ny fandoavan-ketra ny Taxi-Moto Miara-dia tarihin'ny Filohany Atoa Tsiry. Ankoatra izay dia tsy maintsy manao fitsirihana ara-teknika avokoa ny mpisehatra rehetra manomboka izao. Manao fanamiana iraisana arahin'ny fampiasana GPS sy QR code hisorohana ny fangalarana moto sy ny loza. Tsy ho latsa-danja amin'ireo ny resaka fitandroana ny fandriampahalemana mba tsy ho sanatria izy ireo indray no lazaina fa jiolahy mandroba ny mpanjifa. Hanatanteraka fivoriam-be ny Taxi Moto Miara-dia, handaminana ny lafiny rehetra amin'ny Sabotsy ho avy izao eny amin'ny tanimenabe Androndrakely. Mikasika ny Patanty kosa indray dia mavesatra ilay teti-bola 320.000 Ar ka hisy ny fifiampidinihana amin'izay ho zakan'ny rehetra. Tanjona ny fampanarahan-dalàna ny Taxi Moto Miara-dia izay miasa eto an-drenovohitra. Hodinihina ihany koa ny resaka tobim-piantsonana izay hiantsonan'izy ireo.
Pati
Légende : Ireo mpikambana eo anivon'ny Taxi Moto Miara-dia !
 

Dans la même rubrique

22-mai-2026

vokatry ny fandehanana mafy

Card image cap
21-mai-2026

Nahitana tombony amin'ny ampahany ny

Card image cap