Ho an’ny andro Sabotsy ohatra dia manomboka amin’ny 11 ora maraina eo ho eo dia efa hifampitadiavana ny taxibe miazo ireo toerana roa ireo. Tena betsaka anefa izy ireny amin’ny ankapobeny. Efa saika feno miala avy any Anosy avokoa ny ankamaroan’izy ireny ka saika tavela avokoa ireo misakana eny an-tenantenan-dalana. Tsy fantatra mazava araka izany na misafidy ny tsy hiasa mihitsy ireo taxibe rehefa faran’ny herinandro noho ny fitohanana na koa lasa nanao asa hafa na ilay antsoina hoe : spécial. Tsy misy hafa amin’io ny tranga hiainan’ireo mpandeha rehefa andro Alahady. Tsy ny miazo an’i Fenoarivo ihany fa ny miverina ihany koa. Sahirana hatrany ny mpandeha. Hetahetan’ireo mponina eny an-toerana araka izany ny tokony hampitomboana ny isan’ireo taxibe miazo iny faritra iny na koa hampidirana mpitatitra hafa vaovao. Antony manosika ireo mpitatitra sasany hampiakatra saran-dalana ihany koa mantsy ny havitsian’izy ireo miasa rehefa faran’ny herinandro koa raha tokony ho 1.000 Ar oahtra ny miazo an’i Fenoarivo dia tafakatra 1.500 Ar na 2000 Ar izany rehefa tena betsaka ny olona.
Pati
Legende : Tsy maharaka ireo taxibe miazo an’i Fenoarivo ka tokony ampiana
(Sary fanehoana)
Velon-taraina mafy ireo mponina ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Talata Volonondry
Volana Desambra, hitombo efa ho avo roa heny ny olona hifamezivezy eto Antananarivo,
Nanomboka omaly talata 5 desambra 2023 ny fanamboarana ny lalana
Namono olona indray ny kodiaran-droa omaly Alatsinainy 04 Desambra folakandro tany Ambohimahasoa.