airtel

Fifamoivoizana

19-mai-2023

Fifamoivoizana

Teleferika handalo eny amin’ny « Ny Sekolintsika »

Sample post image

Tsy hanaiky hatramin’ny farany ireo maintimolaly sy VRM

19-mai-2023

Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fametrahana teleferika ao amin’ny faritry ny Ny Sekolintsika ao Analamahitsy ireo Maintimolaly sy ny VRM (Vondron’ny Raiamandrenin’ny Mpianatra) ao amin’ity Sekolim-pinoana katolika ity, araka ny fanamafisana nataon’izy ireo ny alarobia lasa teo. Efa nisy moa ny fanambarana niraisan’ny Fianakaviamben’ny Ny Sekolintsika nahitana ny Vondrona Pastoraly, ireo masera mpiahy, ireo masera mpanabe, ny mpampianatra, Raiamandreny, mpianatra,… ny 12 may teo anatrehan’ny taratasy tonga tampoka ref:045 PRM/SENVH/2023 ny 9 may 2023 teo, milaza fa handalo ao amin’ny faritry ny sekoly ny teleferika, fa mandà ny fandalovan’izany ao aminy ny Ny Sekolintsika. Mahatratra 1983 moa ny isan’ny mpianatra ao an-toerana ankehitriny. “Tsy mitombona ny filazan’ny tompon’andraikitry ny Minisitera fa tsy miteraka fanelingelenana ny fametrahana ny andrin’ny teleferika ao ambadiky ny fotodrafitrasan’ny sekoly sy ny fandalovany eo ambonin’ny sekoly”, hoy ireo maintimolaly sy ny Vondron’ny Raiamandrenin’ny mpianatra ny alarobia 16 may teo. Raha amin’izao endriny izao, dia feno ny fepetra hisian’ny fitoniana izay fenitra takian’ny fanabezana, ka raha hisy an’izany dia hiteraka fanelingelenana be. Manana tetikasa hampiakatra an’ireo fotodrafitrasany ihany koa ny sekoly, ka vao mainka hiteraka fanelingelenana io teleferika io, hoy hatrany ny famafisana. Manitrikitrika noho izany izy ireo fa hanakorontana ny fampianarana io, kanefa anaty fenitry ny fampianarana ny tontolo manodidina anaty fitoniana tsy hanaiky hatramin’ny farany ireo. Nanamafy fa efa maro sahady ireo Ray aman-dReny naneho ny fitaintainany amin'ny fanasokajiana ny fametrahana ny fitaterana eo ambonin'ny sekoly ho loza mitatao ho an'ny zanany. Nanamarika kosa fa tsy mandà ny tetik'asa fampandrosoana ny Sekoly fa tokony mba ho jeren'ny tompon'andraikitra mahefa akaiky kosa ny toerana tokony hasiana izany mba hisian'ny filaminan-tsaina antoky ny fanabeazana mahomby.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap
22-avril-2024

Tombanana ho vita amin’ny taona 2025 ny lalana mirefy 75, 838km mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Vahibe,

Card image cap