hametrahana sy hikojakojana ireo « cabines» an’ny tetikasa teleferika, araka ny seraseram-panjakana tamin’ny alalan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana Atoa Gérard Andriamanohisoa omaly. Nambara fa ny faran’ny martsa eo no mety ho vita ny asa rehetra. Hiditra amin’ny andrana teknika maharitra iray volana na iray volana sy tapany eo vao azo hitondrana olona, raha ny fanazavana. Andrasana ny orinasa hampiodina sy hikojakoja azy. Nolazaina fa hampihena ny fitohanana, ka nilazana fa fiara 2000 isan’andro no hijanona noho ny fampiasana ny teleferika. Voalohany indrindra aloha, tena misy ve ny hoenti-manana hampiodinana an’io izay tsy mahaleo ny sarany ny vidiny? Vonona ny angovo izay nolazaina tany aloha fa efa misy milina manokana, avy eo nolazaina fa handeha amin’ny herin’ny masoandro ? Nitrosana 152 tapitrisa dolara eo ka ary ny kajin’ny Fanjakana Rajoelina dia hisy mpandeha 40000 isan’andro io. Azo heritreretina ve izany amin’ny sarany 3000Ar isaky ny mitaingina ka 6000Ar mandroso miverina izany. Raha mahatratra 50% an’ilay 40000 dia misy olona 20000 isan’andro hitaingina tokoa, dia 120 tapitrisa euros isan’andro, ka ao anatin’ny 6 666 andro na ao anatin’ny 18,2 taona izany vao voaloa ny 152 tapitrisa euros na 800 miliara Ar eo notrosaina, mbola tsy voaresaka ny karaman’ny orinasa sy mpiasa manodina azy, ny fikojakohana, ny zana-bolan’ny mpampitrosa,… Dia tena hoe afaka hiodina milamina sy hahavelon-tena ve io ? Efa notaterin’ny gazety vahiny Africa Intelligence ny hoe : tsy mety manome vola ho fanampiana hahafaha-mampiodina na « subvention » ho an’ny teleferika ny Filoham-pirenena. Haodina noho ny henatra ka na vao mainka aza hambotry dia hisisihana ihany. ? Asa na kaonty baoritra na eritreritra manidintsidina hoe : tena hahavaha olana sy hampihena ny fitohanana tokoa ve ? Fiaran’olon-tsotra sa fiara fitateram-bahoaka no hihena no nambara fa hihena? Ambatobe Anosy ihany angaha no ilàn’Antananarivo fitaterana ka hoe : hihena 2000 ny fiara? Tena mifanaraka amin’ny filan’ny sarambabem-bahoaka ve ilay 6000Ar mandroso isan’andro ? Sao mba revin-gadra no betsaka e ?
Toky R
Saika miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra avokoa amin’izao ireo mpamily