airtel

Fifamoivoizana

18-janv-2024

Teleferika Soarano Ivandry

Mametraka ireo andrim-by be roa hanodinana ireo fitaovana

Sample post image

Vita avokoa ny fototra « partie en béton » hanodina ny « appareil » 02 mampitohy

18-janv-2024

an’ny Soarano sy Ivandry, mandeha ny fametrahana ny tsangam-by goavana, hoy ny serasera mikasika ny fanatanterahana ny tetikasa teleferika omaly 17 janoary 2024. Ny P2 tsangamby faharoa lava indrindra amin'ireo tsangam-by goavana 51 amin’ny zotra volomboasary no eo Antanimena izay mirefy 42m. Taorian’ny fametrahana ny « fût métallique », nipetraka ihany koa ireo kojakoja sy fampitaovana rehetra (tête de pylône sy balancier) izay nanaraka ny fenitra fiarovana hatrany, hoy ny tatitra. Ny volana aogositra nanatanterahana ny lalaon’ny Nosy moa no nambara fa hampiasana ny teleferika voalohany, saingy tsy tanteraka. Amin’ity taona ity no nambara fa hitokanana azy. Ity tetikasa ity, izay vola hatrany amin’ny 153 tapitrisa dolara na 770 miliara Ar any ho any no nantontona amin’izy io, izay trosa no ankamaroany. Zava-dehibe ny fanatanterahana azy fa moa tena io ve ny laharam-pahamehana ? Isan’ny nanao izay fanamarihana izay ny depioten’Ikongo sady Filoha lefitry ny antenimierampirenena izay lany tamin’ny IRD fa ny làlana mampifandray ireo distrika aloha no maika kokoa, saingy nenjehin’ny fitondrana fatratra, ka anisany namaly azy i Andry Rajoelina. Efa naman’ny vita io izany ny teleferika izay nambara fa hotokanana amin’ity taona ity. Tena natao ho an’ny sarambabem-bahoaka ve anefa eo anatrehan’ny hoe : saran-dàlan’ny taksibe 600Ar izay misy ambana fa mety hiakatra aza mampikolay ny vahoaka ? Manodidina ny 4000Ar ny saran’ny teleferika, 8000Ar izany mandroso sy miverina, 40000Ar ao anatin’ny 5 andro hiasana anatin’ny herinandro, 160000Ar ao anatin’ny iray volana,… Zakan’ny fahefa-mividin’ny besinimaro ve izany ? Raha atao hoe : vonjy poritra tahaka ireo fitaterana hafa toy ny taxi sy taxi-moto indray, dia midika fa tsy natao ho an’ny sarambabem-bahoaka. Efa io moa no nampisisika ny mpitondra dia ho hita eo ny tohiny ka asa hoe : mba hivoatra araka ity endrika ivelany amin’ny teleferika ity ve Antananarivo sa mbola hotazanina avy eny amboniny eny ny fako sy ny fikorontanana samihafa ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap
14-mai-2024

vao ny atoandro no nisy fiara nifandona tamin’ny kodiaran-droa na «moto»

Card image cap