Fiara taxi-brousse iray avy aty Antananarivo nianatsimo mantsy no niantona teo ambonin’ny tetezan’Amboasary Ambatolampy izay marihina fa tsy misy arofanina. Ny ilan’ilay fiara vokatr’izany no tavela teny amin’ny arabe raha efa tafavoaka kosa ny ilany izay saika latsaka raha tsy nisy vato nisakana. Nitohana izaitsizy ireo fiara niazo iny faritra iny vokatr’izany. Nisy ihany ireo niezaka ny nitady vahaolana saingy ireo kodiaran-droa na ny moto ihany no afaka. Voatery niditra an-tsehatra noho izany ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpampiasa iny lalana iny nanetsika sy nisintona io fiara io ka tokony ho tamin’ny 09 ora maraina tany ho any vao voavaha ny olana. Na izany aza tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy. Miantso ireo mpamily mampiasa ny lalam-pirenena fahafito araka izany ny zandarimariam-pirenena ao Vakinankaratra mba samy hitandrina ka tsy handeha mafy, indrindra amin’ny fampiasana ireny tetezana tsy misy arofanina ireny izay marihina fa marobe tokoa hatrany amin’ny lalam-pirenena fahaefatra.
Pati Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay fiara !
Lehilahy lehibe iray manodidina 60 taona eo ho eo no fantatra fa nilatsaka tany anaty
Mandany iray andro mahery ireo mpitatitra amin’ny fanomanana ny fiara sy ny pitsopitsony rehetra