Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mponina voakasika dia efa mandeha ny fanadihadiana hataon’ny tompon’andraikitra amin’izao hahafantarana ny tombam-bidin’ireo trano sy foto-drafitrasa tsy maintsy harodana ary hohefain’ny Fitondram-panjakana izany. Ho an’ireo foto-drafitrasa manokana dia fantatra fa voakasika ny an’ny orinasa JIRAMA izay mitondra herinaratra goavambe tokoa, raha toraka izany ihany koa ny an’ny orinasa Telma. Tsy latsa-danja amin’ireo ny tranon’olon-tsotra izay efa mahatratra am-polony maro ka 20 tapitrisa Ar raha kely no teti-bidin’ny iray. Manahy ny amin’ny hahasarotra ny fitakiana ny vola ho fanoherana ny vidin’ny tranony sahady araka izany ireo mponina voakasika. Matetika mantsy dia efa mivezivezy amam-bolana maro vao vita ny taratasy rehetra ilain’ny tompon’andraikitra mikasika ilay tany sy trano raha mbola fotoana hafa ihany koa no hiandrasana ilay vola tambiny. Haharitra 24 volana moa ity tetikasa Fly over hatao etsy Anosizato ity, izay vatsian’ny BADEA vola.
Pati
Legende : Hatao roa ny tetezana eto Anosizato !
Eo am-pikarakarana ny fangatahana famerenam-bola azon’izy ireo hatramin’ny 1 Aprily 2022
10km miala na hiditra an'Ambatolampy ilay lalana amboarina, hoy ny tatitr’ireo
Tovolahy iray 16 taona no notetezin'ny kamiao afak'omaly Sabotsy 24 May tany Betroka.
Mirongatra ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.