airtel

Fifamoivoizana

14-juil-2022

Fifamoivoizana

TETIKASA TELEFERIKA Lasibatra ireo mpivarotra etsy amin’ny Petite Vitesse, tsy hanaiky izy ireo

Sample post image

Nipoaka ny hatezeran’ireo mpivarotra miisa 1.200 ao amin’ny Petite Vitesse omaly. Niato tsy nivarotra mihitsy izy

14-juil-2022

ireo omaly maraina nanomboka tamin’ny 06 ora ka hatramin’ny 11 ora latsaka fahefany noho ny fahafantarany fa handalo ao amin’izy ireo ilay tetikasa teleferika, zotram-pitaterana mandeha amin’ny herinaratra mifamoivoy eny ambony eny.
TAMIN’NY FARAN’NY HERINANDRO
Raha araka ny fanazavan’Atoa Zo Lalaina, filohan’ny delegen’ny tsena dia nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro ity tranga ity raha tsy nisy resaka mihitsy hatramin’izay. Tera-tany Malagasy niaraka tamina tera-tany vahiny no tonga namariparitra tao anatin’ity tsena ity hametrahana ilay andry lehibe hitondra ilay zotra-pitaterana ka mahatratra 10 m isaky ny andry ny halalina ilaina, ary tsy azo hivarotana ny manodidina izany 10 metatra izany. Miisa fito teo ho eo ny toerana voafaritra hametrahana ilay andry koa raha hatontaly izany hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity dia 70 metatra eo ho eo ny toerana tsy azo hivarotana intsony ao amin’ny tsenan’ny Petite Vitesse nefa 100 metatra no tontalin’izy rehetra.
SIMBA NY ASA FIHARIANA
Simba tanteraka ny asa fiharian’ny vahoaka madinika vokatr’izany hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity. Nomarihiny anefa fa tsy manda ny asa fampandrosoana kasain’ny Fanjakana hotanterahina izy ireo saingy tokony hisy kosa ny fifampiresahana sy ny fakana hevitra eny ifotony fa tsy ireo tera-tany Malagasy manao baiko midina sy ireo vazahabe efa mamariparitra ny toerana no tonga vao mahalala izy ireo. Nohamafisin’ity tompon’andraikitra ity moa fa tsy nisy mihitsy ny fampilazana azy ireo eny fa na dia avy amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra aza nefa tetikasa goavambe tahaka izao no kasaina hotanterahina.
TSY MAHAZO MIVAROTRA INTSONY
Raha hiverenana kely moa ny antony tsy nivarotan’ireo mpivarotra omaly ka nahatezitra azy dia ny fisian’ny tenin’ilay tera-tany Malagasy nanao baiko miteny ary nilaza fa tsy mahazo mivarotra intsony izy ireo manomboka anio Alakamisy noho ny fanombohana ny fanatanterahana io tetikasa io. Tena midoika ho fanaovana tsinontsinona azy ireo izany ho an’ireo mpivarotra etsy amin’ny Petite Vitesse. Na izany aza dia niezaka ny niverina nivarotra ihany izy ireo ho fitsinjovana ny fahasahiranan’ny vahoaka. Misy karazany telo moa ny tsena ao amin’ny Petite Vitesse dia ireo amin’ny trano misy tafo vy, ireo amin’ny trano vita amin’ny biriky ary ireo vita amin’ny latabatra.
VONONA HIFAMPIRESAKA
Na dia mafana dia mafana aza anefa ny toe-draharaha dia nambaran’Atoa Zo Lalaina fa vonona amin’ny fifampiresahana amin’ny Fitondram-panjakana izy ireo hahafahana mitady vahaolana. Takian’ ireo kosa anefa ny tsy tokony hanaovana tsinontsinona azy rehefa misy asa fampandrosoana sy goavambe tanterahina tahaka izao izay mahakasika ny asa fihariany mivantana. Miantso ny Ben’ny tanana ihany koa izy ireo mba hijery hatrany ny madinika ka tsy hanao azy ireo ho tompon-trano mihono ary fahatelo sady farany dia miandry ny fifampidinihina izy ireo. Na ho inona na ho inona anefa dia fantatra fa tsy hanaiky mora foana ny hakana ny tsenany hanaovana ity tetikasa teleferika ity ireo mpivarotra.
Pati
Legende : Sorena amin’ilay tetikasa teleferika ireo mpivarotra eto amin’ny tsenan’ny Petite Vitesse !
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap