tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fifamoivoizana

Tobim-piantsonana fasan’ny Karana Miverina miasa ara-dalàna taorian’ny fiatoana kely

Niverina amin’ny laoniny ny asa fitateram-bahoaka miazo ireo lalam-pirenena rehetra eto amintsika nanomboka omaly,

24-févr-2023

Sample post image

rehefa niato nandritra ny roa andro vokatry ny fandalovan’ilay rivo-doza Freddy. Ho an’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana manokana dia nambaran’Atoa Martin Andriamparany, tompon’andraikitra voalohany ao an-toerana fa efa miasa izy ireo taorian’ny nanangonany ny vaovao avy amin’ny Ministeran’ny fitaterana, ny ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny ministeran’ny asa vaventy ary ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary. Tsy nisy mihitsy mantsy ho an’ny lalam-pirenena fahafito ny hazo tapaka, ny tany nihotsaka….hoy ny fanazavany ka tsy misy ahiana araka izany ny ain’ny mpandeha. Na izany aza hoy ity tompon’andraikitra ity dia tsy nisy fiakarany ny saran-dalana. Voakasika avokoa na ho an’ireo miainga etsy amin’ny Fasan’ny karana izany na ireo miditra eny an-tsasa-dalana. Ampy tsara ihany koa ny fiara fitaterana na taxi brousse hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity.
Pati
Legende : Efa mizotra araka ny tokony ho izy ny fitaterana miazo ny lalam-pirenena fahafito amin’izao.
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Zotran-dalamby Niverina ofisialy TCE Moramanga-Toamasin
02-juin-2023

aiverina tamin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly 01 jona 2023 ny zotran-dalamby TCE Moramanga-Toamasina, izay nosokafan’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro,

Card image cap
Madagascar Airlines 34 tapitrisa Euros no trosa hatreto
01-juin-2023

Hatramin'izay nisian’ny kaompania Madagascar Airlines, izay kaompaniam-pitaterana anabakabaka vaovao nanolo ny Air Madagasikara dia 2,5 tapitrisa Euro isam-bolana ny trosany,

Voir plus