Miroso tanteraka amin'ny fanatsarana ny toby fiantsonana Fandrosoana na Fasan'ny karana no nahafataran'ny maro azy ireo tomponandraikitra mitantana vonjimaika ny toerana KMTNF (Komity Mitantana ny Tobi-piantsonana Nasionaly Fandrosoana) araka ny fanazavan-dRANDRIANANDRASANA Patrick mpitondra tenin'ny komity. Natomboka tamin'ny fametrahana ireo daba fanariana fako saika manerana ny toby fiantsonana moa ny asa. Eo ihany koa ny fametrahana ny lavarangana misy tafo ho fiarovana ireo mpanjifa sy mpiasa amin'ny masoandro sy orana amin'ny vanim-potonan'ny fahavaratra. Notohizana tamin'ny fametrahana jiro saika manerana ny toby fiantsonana, ary niroso tamin'ny fanalana ireo fako efa nitoby efa am-bolana maro ny mpitantana ny alahady teo. Na eo ary ireo asa sy ezaka efa vita mbola maro ireo vary mangatsikia mbola miandry tohin'ny fanamboarana ny lalana ao anatin'ny toby fiantsonana. Hatsaraina ihany koa ny kalitaon'ny tolotra homena, izay tena mila fiarahana miasa amin'ireo mpanjifa toy ny tsy fanapahana tapakila ivelan'ny toby fiantsonana, ny fanarahana ny lamina rehetra ary ny fanajana ny fahadiovana indrindra eo amin'ny fanarina ny fako toerana voatokana. Na vao fotoana fohy ary no nandraisana ny fitantanana hoy mpitantana vonjimaika na ny KMTNF dia efa tena manao ny ezaka rehetra ho fanatsarana ny toby fiantsonana izy ireo satry maro ireo olona mivelona eny antoerana sy ho fanomezana fahafaham-po ho an'ireo mpanjifa izay efa nitaraina an-taonany maro . Tsy mora ny andraikitra noraisina kanefa tena miezaka izahay hoy izy ireo ary manome toky fa mialoan'ny hifaranan'ny taona dia efa tena hisy fihovana lehibe eny antoerana. Ny hetahetanay, hoy izy ireo, dia ny hisian'ny fifampihainoana foana indrindra eo amin'izy ireo sy ny fitondram-panjakana, ka misokatra hatrany ho an'ireo izay vonona hiaraka hiasa aminy ny mpitantana ho fanatsarana ny toby fiantsonana.
Narindra