airtel

Fifamoivoizana

20-nov-2023

TOLIARA

Fiara roa no indray nivadika, samy namoizana aina

Sample post image

Lozam-pifamoivoizana miisa 2 no indray nitranga tany amin’ny distrikan’i Toliara II ny faran’ny herinandro teo.

20-nov-2023

Ny iray taxi-brousse nivadika izay nahafatesana olona iray sy naharatrana olon-kafa miisa 5. Raha araka ny fantatra dia taxi-brousse mampitohy ny kaominina ambanivohitr’i Soalara sy Efoetse no nivadika io omaly Alahady 19 Novambra maraina. Teny an-tsasa-dalana no nitranga ny loza. Raha araka ny vaovao azo dia vokatry ny haratsian’ilay fiara nitondra ireo mpandeha no niteraka ny loza. Efa tsy tokony hiasa intsony mantsy izy io saingy mbola mandeha mitatitra olona ihany. Ny fisavana sy ny fanaraha-maso azy ireny any an-toerana ihany koa tsy ara-dalana, ny mpifaninana tsy misy ka izao namoizana ain’olona izao. Ho an’ilay fiara tsy mataho-dalana iray izay nitondra razana avy any Bekily indray dia teo an-tampon’Ihorombe izy ireo no tra-doza raha nikasa ho any amin’ny distrikan’ Amboasary Atsimo. Ny Sabotsy alina18 Novambra alina lasa teo no nitrangan’ny loza vokatry ny olana ara-teknika nahazo ilay fiara. Nisy ihany koa ny namoy ny ainy vokatr’izany raha nisy ireo naratra mafy. Taxi-brousse avy any Fianarantsoa ho any Toliara no nitondra ireo maratra ireo tany amin’ny CSB II Ranohira mba hotsaboina.
Pati
Legende : Tahaka izao ny nanjo ilay taxi-brousse nivadika !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap