airtel

Fifamoivoizana

18-août-2023

Fifamoivoizana

TRAIN URBAIN Voaporofo indray ny fomba fiasa kitoatoa

Sample post image

Mbola voapoforo indray ny maha kitoatoa ny fitantanana sy fandrafetana ny laharampahamehana. Tsy mikorisa hatreto ilay lamasinina eto Antananarivo anstoina hoe Train Urbain.

18-août-2023

Tsikaritra teny amin’ireo toerana maro samihafa andalovan’io zotran-dalamby io fa tena mbola misy ny asa tsy vita, raha ny hita omaly tolakandro aloha. Mbola misy ny asa mila faranana ; iny eo ihany fa ny tena mampanahy dia ny eo amin’ny fifandraisan’ny lalamby sy ny arabe na ilay antsoina hoe « passage a niveau » satria dia samy mandalo eo daholo izany ny lamasinina, fiara, olona, sarety, posy bisikileta sy moto. Maivana dia maivana mba tsy hitenenana hoe tsy nisy ny fanentanana sy fanabeazana ny olona. Efa hita anefa fa misy ny lozan-dalamby eny Ampefiloha, Anosibe…Tetikasa tsy hoe kely ity Train Urbainity fa tena goavana satria tsy vitan’ny hoe rehefa mandeha ny lamasinina dia izay no vita. Izany hoe vao nanomboka ny tetikasa dia tokony efa voalaminany zava-drehetra sy ny tetiandron’ny asa, fa tsy aty amin’ny fotoana voatondro fa hiaingan’ny zotra vao hoe mbola misy fanaboarana ka mihemotra kely aloha.

Zotra SOARANO – AMBOHIMANAMBOLA
• Mirefy 12 km
• Ahitana Station miisa 5
• Mandalo eo Mandroseza - Ankadimbahoaka - Soanierana.
• Hisy fiaingana isaky ny 30 minitra
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap