airtel

Fifamoivoizana

22-juil-2022

Fifamoivoizana

Tratry ny gafy sy ny hetraketraka Nilefitra hanao saran-dàlana 600Ar ny FMA

Sample post image

Ahitsy ho 600Ar ny saran-dàlana ho an’ny FMA (Fitaterana Mirindra ho an’Antananarivo) taorian’ny savorovoro omaly.

22-juil-2022

 Izy ireo izay nilaza teo aloha fa 800Ar ny saran-dàlana ary vonona ny hisedra izay mety ho sazy mifandraika amin’izany. 700Ar no nampiharina nanomboka omaly. “Misy anefa ny hetraketraka, misy te hanakorontana, misy ihany koa ny fifamitahana eo amin’ny samy mpitatitra”, hoy ny Filohan’ny FMA Arilanto Randrianarisoa. Nidrikina tsy handoa afatsy 600Ar ny mpandeha taksibe teny Ilafy ao anatin’ny zotra 192 omaly. 700Ar no sora-baventy navoakan’ny taksibe, saingy tsy nety nandeha ny olona. Ny 80% amin’ny zotra 192 no tsy niasa omaly vokatr’io toe-javatra iny. Nisafidy ny hampihatra 600Ar ny FMA mba tsy ho tratry ny korontana, araka ny vaovao farany omaly satria tonga hatramin’ny hetraketraka sy famakiana fitaratry ny fiara ny zavatra niseho omaly, nisy taksibe vaky “parbrise”. Mbola manitrikitrika moa io vondrom-pitaterana io, fa mamono antoka ny saran-dàlana latsaky ny 800Ar, ary manantena izy ireo fa hisy ny dinika mba hampiharana ny 700Ar aoriana. Ny Fanjakana etsy andaniny, nijanona amin’ny tery vay manta amin’izay azony terena fa mifitsaka amin’ny mpandraharahan-tsolika, hany ka ny samy vahoaka no lasa mifandramatra. Asam-bahoaka ny asa fitaterana, fa fandraharahana misy mason-karena ihany koa ka mila jerena akaiky ihany.

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap