airtel

Fifamoivoizana

16-avril-2024

TSY AMPY INTSONY NY TAKSIBE ENY ITAOSY

Lasa hikaraman’ny taxibe hafa, 1000 Ar ny saran-dalana omaly

Sample post image

Tena tsy maharaka ny filan’ny mponin’Itaosy intsony ny isan’ireo taxibe miasa eny an-toerana.

16-avril-2024

Na dia efa misy karazany 5 aza izy ireo ankehitriny no mivoaka ny tanana miazo ny renivohitra sy ny manodidina dia mbola tsy ampy ihany izany. Manomboka amin’ny 05 ora sy 30 minitra maraina dia efa mafotaka ny fakana taxibe eny Itaosy isan’andro. Izay matanjaka ihany no tafiditra , tranga izay tsy mijanona raha tsy amin’ny 09 ora maraina any ho any. Hifanenjehana hatrany ny taxibe isan’andro ka misy mahavita mitety tobim-piantsonana telo karazana ny mpandeha iray vao mahazo taxibe. Hitan’ireo taxibe sasany tsy miasa eny an-toerana fa mipetraka eny kosa izany fahoriana mahazo ny mponina izany. Manararaotra manao ny hataony izy ireo vokatr’izany ka ho an’ny omaly Alatsinainy 15 Aprily ohatra dia tafakatra 1000 Ar ny saran-dalan’ny olona iray. Niainga teny Andranonahoatra hatreny amin’ny Cnaps izany, tsy nisy safidy no sady tsy nisy tapa-dalana ihany koa. Taxibe miazo an’Ambatofotsy ao anatin’ny zotra F ireo nanararaotra ireo. Tsy afa-nanoatra anefa ireo mponin’Itaosy no sady maika ihany koa hany ka tsy maintsy nandeha. Antso avo araka izany no hatao amin’ny tompon’andraikitra ny mba hampitomboana ny isan’ireo taxibe miasa eny Itaosy. Efa tena sahirana amin’ny fanenjehana azy ireny mantsy ny mpiasa sy ny mpianatra no mbola tratran’ny saran-dalana 1000 Ar ihany. Misy anefa ireo tsy manana afa-tsy 1.200 Ar saran-dalana mandroso sy miverina any am-paosiny any.
Pati
Legende : Maro karazana tahaka izao ny taxibe’Itaosy fa mbola tsy ampy ihany !
 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

Inona mihitsy no tsy milamina ao Ambatofolaka, Soamahamanina ao, hoy ny mponina any an-toerana

Card image cap
26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap