airtel

Fifamoivoizana

01-août-2023

Fifamoivoizana

Vahaolan’ny “embouteillage” ao anatin’ny 1 volana

Sample post image

Tratry ny fampiesonana manara-penitra ny mponin’Itaosy

01-août-2023

Dila ilay iray volana nampanantenain’i Andry Rajoelina fa ahitana vahaolana ny amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Itaosy, fa dia Itaosy ihany no Itaosy. Maraina atoandro hariva, samy mahita tsara ny zava-misy manomboka eo amin’ny Galana Andranonahoatra ka hatreny Ampasika angamba ny rehetra mpandeha amin’iny lalan’ny taxibe 133, 143, A, G iny . Raha mirava amin’ny 5 ora hariva eo Ampefiloha, na Anosy na Soanierana no handeha hody any Itaosy Cité dia efa mila miomana fa amin’ny 7 ora hariva eo no miditry ny trano . Mbola zavatra hafa raha toerana lavitra kokoa noho ireo voalaza ireo no hiaingana.Mbola tena mitohana tanteraka ny fifamoivoizana ny maraina sy ny hariva.Hita ho manezakezaka mandamina ireo polisy misahana ny fifamoivoizana eo Andranonahoatra sy Ambonisoa ary Antanikatsaka fa ilay fiara mihitsy no maro be, tery ny lalana, no sady eoo moa ny mpivarotra amin’ny trottoir ka lasa miditra anaty arabe ny mpandeha an-tongotra.Ny Taxibe manao ny ataony isaky ny fiantsonana amin’ilay manatrangatranga lohana fiara kanefa tsy miroso akory ; ny posy, sarety sy ny karazany hafa isan’andro dia mampihisatra ny fifamoivoizana.Eo ihany koa ireo kamiao izay toa efa tsy misy ora intsony fa mandeha amin’izay fotoana maha metimety azy. Moa ve nahafantatra tsara ireo tranga ireo ny filoham-pirenena mialohan’ny nitenenany tamin’ny 29 jona teny Ambavahaditokana iny hoe : ho jerentsika ao anatin’ny 1 volana ny hamahana ity amboteizin’Itaosy ity ? Sa dia miteniteny foana imasom-bahoaka tokoa sanatria ? Ekena fa hoe tsy maintsy mitady vahaolana fa mba mila miteha-tany tsara ny tongotra rehefa miteny sy miresaka amin’ny vahoaka fa tsy maimaika haka ny fon’ny olona fotsiny, rehefa lazaina avy eo hoe mpampiesona dia teziitra sy manao teny fandrahonana kanefa tena fampiesonana ny filazana fa ho hita ao anatin’ny iray volana ny vahaolana amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny Itaosy. Mitovy tsisy valaka amin’ilay hoe ho foanantsika afaka 3 herinandro ny delestazy, dia avy eo milaza indray hoe fanalefahhana no izy fa tsy fanafoanana. Ka nahoana no nampiasaina ilay voambolana hoe : « fanafoanana » aza e ? Sarotra kosa aloha ny hino hoe mandiso teny isaky ny mikabary ingahy Filoha ; ary raha izany tokoa no izy dia sao dia tsy zakany aza ilay andraikitra fa efa tena miakatra any amin’ny zanaka’atidohany ilay olana ara-pitantanana dia lasa miteny ny tsy fiteny.Vahaolana mazava tsara, hita hoe azo ampiharina amina tetiandro tsy manonofy no andrasana fa tsy fampanantenana poakaty.Soa ihany aloha fa misy ireo polisy tena miasa eny Itaosy, dia mba avotra kely ingahy be fampanantenana fa te ho mamim-bahoaka mandra-pahafatiny angamba.

Nisy ilay resaka famakiana lalam-baovao eny Avarabohitra Itaosy, saingy mbola resaka lavitr’ezaka tsy arak’ilay hoe vahaolana ao anatin’ny iray volana.Ary na ny asa ao anatin’izany aza tena mbola goavambe.Ny tazana fotsiny aloha dia efa misy fanotorana tanimbary eo ampitan’ny IMRA (Ratsimamanga).
Légende : Teny Andranonahoatra Itaosy teny omaly hariva RTT

 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Saika miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra avokoa amin’izao ireo mpamily

Card image cap