airtel

Fifamoivoizana

15-nov-2022

Fifamoivoizana

Velirano mipoapoaka, vola tsy misy Mila 1325 tapitrisa dolara ilay « làlana masoandro »

Sample post image

Navoakan’ny Minisiteran’ny Asa vaventy omaly ny tombam-bidin’ny "Làlana Masoandro" na "Route du soleil", izay fampanantenan’ny Filoham-pirenena, nohamafisiny ny 29 oktobra 2022 teny amin’ny CCI Ivato.

15-nov-2022

Lalam-pirenena miisa 6 izay mitontaly 1950 km no nambara fa hasiam-panamboarana, 1325 tapitrisa dolara no tombam-bidiny. Hampitohy ny faritra Atsimo mamakivaky ny ilany Atsinanana hatrany amin'ny ilany Avaratr'i Madagasikara. Faritra valo no voakasiky ny tetikasa: Anosy, Androy, Atsimo Andrefana, Fitovinany, Vatovavy, Atsinanana, Analanjirofo, Sava ary Diana. Lalam-pirenena faha-12A ( RNT 12A) mampitohy an'i Taolagnaro- Ebakika-Somisika- Masihanaka- Vangaindrano mirefy 231,6 km sy RNS12 mampitohy an'i Vangaindrano – Farafangana – Vohipeno – Manakara - Irondro izay mirefy 279,4 km; Lalam-pirenena faha-25 (RNS25) mampitohy an'Irondro - Tsiatosika mirefy 44km; Lalam-pirenena faha-11 (RNS11) mampitohy an'i Tsiatosika - Nosy Varika mirefy 101km, RNT 11 mampitohy an'i Nosy Varika – Ambinanivolo - Mahanoro mirefy 83 km, RNT 11A mampitohy an'i Mahanoro – Vatomandry - Antsapanana mirefy 139km; Lalam-pirenena faha-2 (RNP2) mampitohy an'Antsampanana – Brickaville - Toamasina mirefy 131 km; Lalam-pirenena faha-5 (RNS5) mampitohy an'i Toamasina - Fenoarivo Atsinanana - Soanierana Ivongo – Vahibe - Mananara Avaratra – Maroantsetra - Marofinaritra, mirefy 500km; sy RNS 5A mampitohy an'i Marofinaritra – Antalaha – Sambava - Vohemar - Ambilobe mirefy 441km. Ny tombam-bidin'io tetikasa io dia mitentina 1 325 tapitrisa dolara, misy amin'ireo ampahan-dalana no efa nahitana famatsiam-bola ary efa natomboka ny asa. Misy kosa ireo izay mbola eo ampitadiavana izany, hoy ny tatitra. Io no nambara fa antony iray nanaovana ny famelabelarana ity tetikasa ity nandritra ny " Forum National des Investissements pour l'Emergence de Madagascar". Firy kilaometatra no efa misy famatsiam-bola dia firy no tsy mbola misy? Tsy vao sambany nitanisana tetikasa goavana tahaka ity izao, saingy ny ankamaroany fametrahana vatofototra no mipoapoaka fa ny asa avy eo mihisatra. Ny RN13, ohatra, nolazaina fa hanomboka mialohan’ny faran’ny taona 2020, saingy 2022 vao nanaovana sehoseho goavana saingy mihisatra tanteraka ny fanamboarana, ny “Voie rapide” 10 km miala amin’ny seranan-tsambon’I Toamasina miazo ny RN2 any Tsarakofafa efa ny 7 aprily 2019 no nanaovana seho goavana narahina vatofototra ny 18 martsa 2019 saingy firy santimetatra no vita? Làlana 10 km aza tsy vita tao anatin’ny 4 taona ka amin’ny fomba ahoana no hinoana fa hahavitan’ny “autoroute” 260km ao anatin’izany fe-potoana izany indrindra fa mbola ity Fanjakana ity no hitondra? Tahaka izany ihany koa ity Làlan’ny Masoandro 1950km? Efa ny tapaky ny janoary 2021 no nilazana fa mila 5 miliara dolara eo ireo fanamboaran-dàlana hatao, ary 3 miliara dolara ny autoroute, saingy nihena ho 924 tapitrisa dolara ity farany,…
NY HARENA NO MILA ATAO TSARA TANTANA…
Ny fanaon’ny firenena hafa matetika tonga dia ilay harena ao aminy no atakalo asa sy teknolojia, ny any amin’ny Emirates izao zany no ataony, omeny solika ilay orinasa na firenena dia manao fampiasam-bola be ao aminy. Io tsy misy mazia mazia na hoe tianao ny olona de hanome anao tsy maintsy fitia mifamaly, fa ny olana ny antsika be loatra ny sehatra tsy ara-dalàna dia lasa ny mafia no mahazo vahana. Raha voafehin’ny Fanjakana io resaka harenantsika io, tsy olana ny miteny hoe: omenay volamena 1000 taonina oanareo ka ahoana ary no atao? Mbola afaka ampiana “terre rare”, safira, ilménite, beryl sy ny harena maro hafa fa mila paikady mazava tsara.
Toky R
 

Dans la même rubrique