airtel

Fifamoivoizana

11-mars-2022

Fifamoivoizana

Vinaninkarena Antsirabe Maty nofaohan’ny kamiao ilay mpitondra cyclo-pousse

Sample post image

Olona roa no maty nofaohan’ny kamiao ny marainan'ny talata 08 martsa teo, tany Alavarano avaratra Vinaninkarena Antsirabe.

11-mars-2022

 Nianatra nitondra "cyclo pousse" izy roalahy voadona ireto raha araka ny loharanom-baovao voaray. Tsy nahafehy ny familiana anefa izy ireo raha ny fantatra ka nifatratra tamin'ny kamiao nandeha ary dia voafaoka. Noho ny habetsahan'ny rà very tamin’izy ireo dia maty tsy tra-drano izy roalahy. Efa tonga naka ny razana tany an-toerana moa ny fianakaviany. Efa natao famotorana kosa ny mpamily ilay fiara nandòna azy ireo. Ilana fitandremana hatrany araka izany ny fandehanana eny amin’ny arabe na ho an’ny mpandeha an-tongotra izany na ho an’ireo mpitondra fiarakodia. Lahitokana mantsy ny aina ka tsy tokony hanaovana sangisangy izany.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap