Fiara fitateram-bahoaka ao amin’ny zotra F no nivarina tany anaty hantsaha teny amin’ny lalana miazo an’i Dialambo. Naratra mafy voatsindry sy tapaka vokatr’izany ireo mpandeha miisa 7 izay voatery nomena ny fitsaboana voalohany tao amin’ny CSB II Alasora aloha vao nalefa hotsaboina maharitra eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Namoy ny ainy teo noho eo kosa ilay mpamily. Raha araka ny vaovao azo moa dia vokatry ny halaman’ny lalana no nahatonga ny loza. Misy ihany koa anefa no milaza fa ilay mpamily mihitsy no efa reraka raha tao koa ireo niteny fa nisy olana ilay fiara. Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ihany anefa no tena hanamarina izany na tsia. Mirary fiononana ho an’ny fianakavian’ny maty.
Pati
Legende : Tahaka izao no fivadihan’ilay taxi-brousse !
Eo am-pikarakarana ny fangatahana famerenam-bola azon’izy ireo hatramin’ny 1 Aprily 2022
10km miala na hiditra an'Ambatolampy ilay lalana amboarina, hoy ny tatitr’ireo
Tovolahy iray 16 taona no notetezin'ny kamiao afak'omaly Sabotsy 24 May tany Betroka.
Mirongatra ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.