airtel

Fifamoivoizana

14-juil-2022

Fifamoivoizana

Zotra nasionaly Nokajiana amin’ny fiakaran’ny solika ny saran-dàlana…

Sample post image

Samy nampiakatra saran-dàlana avokoa ny mpitatitra ao anatin’ny zotra nasionaly amin’izao fotoana izao. Milaza izy ireo fa tsy misy fanararaotana fa araka

14-juil-2022

ny kajy tsotsotra niainga tamin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Ny fiakarana no nalaina, tsinjaraina amin’ny isan’ny seza, hoy hatrany izy ireo. Ho an’i Toamasina manokana, ohatra, mandany 100litatra mandroso sy miverina, ka iny no nikajiana azy. Natao hitsinjovana ny mpandeha, dia ny fiakan’ny solika ihany no nalaina tamin’ny mpandeha, hoy ny fanazavana. Miantso ny hanamboarana ny làlana simba sy feno lavaka kosa ireo mpitatitra satria mampiakatra ny fandaniana izany na eo amin’ny solika na eo amin’ny famoaham-bola noho ny fahasimbana. Na milaza aza moa ny mpitatitra fa ny fiakaran’ny solika ihany no nikajiana ny fiakaran’ny saran-dàlana, dia maro amin’ny mpandeha kosa no mihevitra sy mahatsapa fa tena tsy zakan’ny fahefa-mividy intsony ny fampiakarana saran-dàlana. Hatreto kosa, toa nangingina ny Fanjakana mikasika izay saran-dàlan’ny zotra nasionaly izay na nilaza aza ny 11 jolay teo fa hifampidinika amin’ny zotra nasionaly. Asa hoe: Aiza ho aiza ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny eo anivon’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT?
Toky R

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap