airtel

Fifamoivoizana

02-juin-2023

Fifamoivoizana

Zotran-dalamby Niverina ofisialy TCE Moramanga-Toamasin

Sample post image

aiverina tamin’ny fomba ofisialy nanomboka omaly 01 jona 2023 ny zotran-dalamby TCE Moramanga-Toamasina, izay nosokafan’ny Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetr’andro,

02-juin-2023

Ramonjavelo Valéry, niaraka tamin’ ny Governora ny faritra Alaotra Mangoro, ny Governora ny faritra Atsinana, ireo tompon’andraiki-panjakana amin’ireo toerana andalovan’ny zotra TCE, ary indrindra ireo mpiasan’ny Madarail izay tompon’andraikitra volohany amin’ny zotra an-dàlamby TCE, nahatontosa izao fiverenan’ny zotra izao. Noraisina ofisialy ireo fiaran-dàlamby vaovao ampiasain’ny Madarail amin’ny fitaterana olona izay ahitana ny 1ère classe mahazaka olona 64 ary ny 2ème classe mahazaka olona 216. Miisa 22 ireo kaominina andalovan’ny “Dia Tsara” ary maro amin’izy ireo no mitoka-monina satria dia tsy tongan’ny fiara mihitsy. Natao hanamorana ny fifamezivezen’ny mponina amin’ny faritra Alaotra Mangoro sy Atsinana noho izany ny zotra an-dàlamby TCE “Dia Tsara”, ary indrindra hamoahana ireo vokatra sy entana ilain’ny mponina amin’ny fihariana sy ny fiainana andavanandro. Maharitra 12 ora ny làlana Moramanga – Toamasina ataon’ny Dia Tsara, noho ny fijanonana amin’ireo “gares” miisa 23 izay andalovany, satria ny antom-pisian’ny zotra an-dàlamby mpitatitra olona dia ny mba hahafahan’ireo toerana rehetra andalovany misitraka ny fifamezivezena. Efa mijery akaiky sahady ny hamelomana ihany koa ny zotra Moramanga-Lac Alaotra (MLA) ny Minisitera mpiahy ankehitriny ho fampivoarana hatrany ny fitaterana manerana ny Nosy, raha ny fanamarihana. Eo ny fitaterana izay heverina fa ho mora kokoa, fa azo heverina ho varavarana misokatra ho an’ny fizahantany ihany koa itony noho iny faritra Atsinanana iny manan-karena zavaboahary.
Toky R
 

Dans la même rubrique