airtel

kolontsaina

10-févr-2025

25 taona naha Tovo J’hay

Ho marihina ao Paris

Sample post image

Ho marihina ao amin’ny New Morning, ao Paris, Frantsa, ny 9 martsa 2025 izao ny 25 taona

10-févr-2025

naha Tovo J’hay an’i Ratovondrahona Herinirina, mpanakanto malagasy nisafidy ny hikopa-kelatra andeha irery ny taona 1997 rehefa avy tao amin’ny tarika Maxi ny taona 1985 hatramin’ny 1992. Teo amin’ny faha 20 taonany ity mpanakanto teraka ny 5 janoary 1974 no niaka-tsehatra voalohany tamin’ny maha Tovo J’hay azy tao amin’ny Abakabaka ary tsy nampoizina fa maro ireo namaly ny antsony tamin’izany fotoana izany, hoy ny fanazavàna. Nanomboka niforona teo ihany koa ireo vondron’olona nankafy ny tovolahy ka nanomboka nivoaka amin’izay ry «Satry foana», «Mbola hafa», «Niandry» sy ny tohiny rehetra hatramin’izao to an-dry «Angolanao» sy ry «Toa azy!». Ny mozika Soul no tena nahafantarana an’i Tovo J’hay hatramin’izay ary tsy nanalavitra izany ny lehilahy saingy nisy kosa ny fampivoarana ny fikitihana ireo zava-maneno sy akora mikasika ny mozikany mba hifanaraka amin’ny fivoaran’ny vanim-potoana ankehitriny, raha ny fanazavàna hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Rahariva izany no fotoana miaraka amin’i Silo etsy amin’ny Enceinte Urban Futsal Galaxy Andraharo

Card image cap
27-mai-2025

Hanomboka amin’ny faran’ny volana jona 2025 izao ny fanodinana ny horonantsary

Card image cap