manomboka amin’ny 08 ora sy sasany alina. “Ho Anao” no lohan-teny nampitondrainy ity fampisehoana goavana hotanterahiny ity, hanokafana sahady ny faran’ny herinandro ao anatin’ny fifaliana. Nambaran’i Bodo nandritra ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety fa hohirainy amin’ity anio alina ity avokoa ireo karazan-kira nahafantarana azy hatramin’izay. Am-polony maro izany ho fanomezana fahafaham-po ny rehetra. Ny RDJ na ny Radio Des Jeunes moa no hikarakara ny fampisehoana izay manana tanjona hatrany hanohana sy hanosika ireo mpanankato Malagasy manan-talenta. Anisan’ny efa nahafantarana azy ireo rahateo ny RDJ Mozika izay tena be mpankafy tokoa. Manome fotoana ny rehetra araka izany i Bodo anio Zoma hariva, izay faran’ny volana rahateo.
Pati
Legende : Hiavaka ny fampisehoana hotanterahin’i Bodo anio hariva etsy amin’ny La City Ivandry !
Rahariva izany no fotoana miaraka amin’i Silo etsy amin’ny Enceinte Urban Futsal Galaxy Andraharo
Hanomboka amin’ny faran’ny volana jona 2025 izao ny fanodinana ny horonantsary