airtel

kolontsaina

11-août-2025

CDA ANDOHATAPENAKA

Nahatsiaro ny faha-30 nahafatesan'ny Mompera Jacques Couture

Sample post image

Tsy nandalo fotsiny ny datin'ny omaly Zoma 08 Aogositra ho an'ny filan-kevitra

11-août-2025

fampandrosoana etsy Andohatapenaka na ny CDA. Feno 30 taona omaly mantsy ny nahafatesan'ny Mompera Jacques Couture izay namorona sy nanangana ny CDA. Feno 30 taona ny nahaterahany any an-danitra hoy Rakotomanga Andriamiharikanto ka mendrika ny homarihina sy hankalazaina manokana izany. Notsiahivin'ity tompon'andraikitra voalohany eo anivon'ny CDA ity fa tamin'ny taona 1982 no tonga teny Andohatapenaka ity Mompera iray ity. Tao anatin'ny fahasahiranana tanteraka ny mponina tamin'izany hoy izy taorian'ny nisian'ny tondra-dranobe izay nanaparitaka valan'aretina sy nampitondra faisana ireo vahoaka rava trano maro. Ankehitriny dia nambarany fa efa miasa amin'ny Fokontany miisa 10 eny amin'ny faritra iva eto an-drenivohitra ny CDA. Tsy latsa-danja amin'izany ireo Fokontany miisa 5 manodidina an'Andohatapenaka toy ny ao Ampasika, Ampefiloha Ambodirano... miampy ireo Fokontany 52 isa manodidina an'Antananarivo. Efa hiasan'izy ireo ihany koa ny any amin'ny Faritra Itasy, Bongolava, Atsinanana ary Atsimo Andrefana. Lamesa lehibe nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra no nanokafan'ireo mpiara-miasa eo anivon'ny CDA sy ireo mpiofana tranainy ny lanonana omaly, nitohy tamin'ny lanonam-pianakaviana....Tsiahivina moa fa tamin'ny volana Aogositra taona 1995 no nindaosin'ny fahafatesana i Mompera Jacques Couture teo amin'ny faha-66 taonany.
Pati
Légende : Rakotomanga Andriamiharikanto, tompon'andraikitra voalohany ao amin'ny CDA ANDOHATAPENAKA 

Dans la même rubrique

17-juil-2026

Nodimandry teo amin’ny faha 61

Card image cap