ny fanokafana ny fankalazàna ny faha 20 taonan’ny seha-pibeazana Loharano. Taranja maro, hoy ny filoham-boninahitra sady filohan’ny komitin’izao fankalazàna izao, Randrianiaina Mamison na Fitomiandalana, no efa tafatsangana tao anatin’izay 20 taona izay dia ny resaka zava-maneno, ny teny vahiny, indrindra, ny kabary. Ny taona 2013 sy 2014 dia efa tompondakan’Antananarivo sy tompondaka lefitra teto Madagasikara teo anivon’ny fifaninanana kabary teto anivon’ny firenena ny solontenan’ny Loharano, hoy izy. Isan’ireo fikambanana nanana boky be indrindra ny Loharano, raha tamin’ireo fikambanana namoaka boky. Efa misy 3 karazana ny bokina kabary nivoakany dia ny «Loharanon-kabary», «Kabary ara-baiboly», «Kabary anaran-tany». Tombony tao anatin’izay 20 taona izay koa ny fananana ainga ara-velankevitra. Raha misy ny voalohany amin’izany fanomezana velankevitra izany dia mba isan’ny faharoa ny Loharano. «Mifaditrovana notinaizam-banona, velona andry fiankinana, maty mamela tantara.» no teny filamatra satria ivo no anjara toeran’izany mifaditrovana izany. Ny atao hoe «tsy mifaditrovana» dia tsy mandre marary, tsy mamindra fo. Ny olona iharan’ny asan’ny tsy mifaditrofana no antsoina hoe «fadiranovana», mahantra, mangirifiry. Mipetraka eo anelanelan’ilay «fadiranovana» sy «tsy mifaditrovana» kosa ny «mifaditrovana». Tsy toeram-pampianarana akory ny seha-pibeazana fa ny olona tsirairay efa manana ilay ainga ao anatiny. Mamoha sy manabe ilay ainga ao anatiny ny seha-pibeazana mba hahafahany miaina sy mivelona amin’ny tontolo misy azy, hoy hatrany ny tenany. Manana ny maha izy azy ny kabary ankehitriny, hoy kosa ny fanampim-panazavàn’ny filoha mpitantana ny Loharano, Randrianasolo Alfred. Isan’ny singa lehibe mivoy izany Kabary ankehitriny izany ny Loharano, hoy izy. Tsy manao tsianjery na miteniteny foana eo anivon’ny fiarahamonina ny mpikabary fa manana votoaty. Ny zavatra teneniny dia mila fantatra avokoa ary izay ambaran’ny vavany dia mila hainy fa tsy miteniteny foana na manaotao foana imasom-bahoaka. Somary efa mamintina fotoana ny kabary ankehitriny satria tsy maharitra mihaino zavatra lava be ny olona amin’izao fotoana izao. Maha monamonaina izany ary izay no ifantohan’ny Loharano amin’ny antsointsika hoe «Kabary ankehitriny», hoy hatrany ny tenany. Novoizina sy nasongadina, araka izany, izay atao hoe Kabary ankehitriny izay nandritr’ity fankalazàna ity.
Nangonin’i J. Mirija
Rahariva izany no fotoana miaraka amin’i Silo etsy amin’ny Enceinte Urban Futsal Galaxy Andraharo
Hanomboka amin’ny faran’ny volana jona 2025 izao ny fanodinana ny horonantsary