airtel

kolontsaina

02-juin-2023

kolontsaina

Fanabeazana sy asa fandraharahana Hiara-hiasa akaiky ny Club IST’Orique sy ny JEJOO

Sample post image

Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.

02-juin-2023

Manana club des journalistes anefa izy ireo, izay mamoaka gazety an-tsoratra mpiseho isam-bolana antsoina hoe : « IST’Orique » ka ireo mpianatra ao ihany no mamolavola sy mamoaka izany ary amidy ao am-pianarana ihany ny gazety. Maniry hanatevina ny fahalalany amin’ny famokarana io gazety io ry zareo ao anatin’ny club araka izany izay ahitana ankizy mpianatra momba ny Génie Civil sy Génie industriel ary Management.
SARY 1

Anisan’ny antony ho fanatsarana ny fampianarana sy ny fampitaovana ny vola miditra izany. -Ny Jejoo indray dia efa nanomboka tamin’ny taona 2007 no efa fantatra amin’ny fampiroboroboana ny vehivavy. Misandrahaka amina sehatra 4 lehibe izany fampiroboroboana ny vehivavy izany dia ny Fahasalamana, ny Fanabeazana, ny Asa sy ny Fandraharaharana ary ny Fiainam-pianakaviana. Ao anatin’ny Fanabeazana sy ny Asa sy Fandraharaharana no hanohanan’ny Jejoo ny club Ist’Orique. Anisan’ny tanjon’ny Jejoo mantsy, ny hamolavola ny tanora, indrindra ny ankizivavy ho tonga vehivavy vanona sy mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena ka manosika azy ireny eo amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny tontolon’ny asa na koa ny fidirana amin’ny fandraharaharana.
SARY 2

Haharitra herintaona ny fiaraha-miasa eo amin’ny ronta tonta izay hahazoan’ireo mpianatra fampiofanana sy fizarana traikefa mikasika ny asa fanaovan-gazety . Ho tosika ho an’ireo ankizy mpianatra efa manao fandraharahana madinika na andran’asa izany. Ahitana ampahany amin’ireo lahatsoratry ny Jejoo mikasika ny fanabeazana ao anatin’ny ISt’Orique. Miisa eo amin’ny 1.500 eo ho ny mpianatra ao amin’ny IST amin’izao raha herin-taona izay no nisian’ity club des journalistes ity. Natao androany teny amin’ny IST Ampasapito ny sonia fiaraha-mpiara-miasa eo amin’ny club des journalistes IST’Orique sy ny Jejoo, natrehan’ny tale jeneralin’ny IST.

Pati

Legende : Nifanaiky fa hiara-hiasa sy hifanome tanana manomboka izao ny IST’Orique sy ny gazety Jejoo

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap