no manjifa koban-dravina hanoloana mofomamy hiaraha-mifaly anaty andro firavoaravoana toy ireny. Ireo manatontosa ny fanateram-bodiondry moa no tena hita ho miha roboka amin’izy io. Tsikaritra ho efa zary fanao mahazatran’ireo fikambanana samihafa, indrindra, fikambanana ara-kolontsaina koa nefa izany. Hita ho miha manolo ny mofomamy ny koba ary tena raisina ho isan’ny fanandratana ny kolontsaina malagasy mihitsy izany ankehitriny, raha ny eto amin’ny faritra Analamanga no resahina. Malaza ny koban-dravina eny Faravohitra fa mbola malaza lavitra ny koban’i Talatan’i Volonondry na koban’i Talata, hoy ny maro. Heverina, noho izany, fa niainga teto Imerina ny famokarana koba ary tena mirakitra kolontsaina merina ihany koa. Fangarona varim-bazaha na vary sy akondro ary voanjo, nototoina sy nandrahoina ary nofonosina ravin’akondro na ravin’ala mafana ihany koa, raha lazaina amin’ny fomba tsotsotra, izay no manome ny antsoina hoe koba. Ny halavany sy hamaminy dia matetika hifampirariana andro lava sy feno hamamiana eo amin’ny mpiara-belona sy ho an’ireo mpanambady. Azo ambara ihany koa hoe tso-drano ho faharetan’ny tokantrano, raha ny fanadihadiana natao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo tetsy Andavamamba ny MTCM na
Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Coliseum Antsonjombe Rija Rasolondraibe