airtel

kolontsaina

27-mars-2023

kolontsaina

Fetin’ny paska ao Antsirabe Hanomboka ny 07 aprily ny Star Tour

Sample post image

Fotoana vitsy isika dia hankalaza ny fetin’ny Paska indray isika. Toy ny fanaony isan-taona dia nisafidy manokana ny

27-mars-2023

tananan’Antsirabe ny orinasa Star amin’ny alalan’ny Star Tour mba hanomezana fahafaham-po ny rehetra. Ny 07 ka hatramin’ny 10 Aprily no hanatanterahana ny lanonambe mifandraika amin’izany any an-toerana raha hanomboka ny 01 ka hatramin’ny 06 aprily kosa ny Camion Tour izay hanokatra ny lanonana. Ao Ambositra no hisantarana izany amin’io andro . Hitohy ao Andranomanelatra ny 05 aprily ary hofarana ao Ambohibary Sambaina ny 06 aprily. Hisy mandritra izany ny fanentanana an-tsehatra sy ny fampandihizana miaraka amin’ny DJ sy ny lalao isan-karazany hahazoana loka marobe. Eo amin’ny araben’ny gara kosa no hanatanterahana ny lanonana ho an’Antsirabe izay hosokafana amin’ny alalan’ny diabe. Olona 20.000 isa isan’andro no andrasana ho avy mandritra izany, raha miisa 100 ireo toeram-panjifana azo hisakafoanana sy hisotroana zava-pisotro. Hanafana ny lanonana isan-kariva ireo artista kalaza toa an’i Black Nadia, Njakatiana, Mr Saida, Oladad, ary Tempo Gaigy.
Pati
 

Dans la même rubrique