airtel

kolontsaina

28-nov-2025

FIVONDRONAM-BEN'NY AMPANJAKA

MITAZONA NY FOMBAN-DRAZANA

Sample post image

Feno 16 taona, hanasoa ny vahoaka hatrany

28-nov-2025

Feno 16 taona katroka ny fivondronam-ben'ny Ampanjaka mitazona ny fomban-drazana na ny Fédération des communautés royales traditionnelles coutumières culturelles de Madagascar tarihin'ny filoha mpanorina azy ny Princesse Zoendreniny Elakovelo Etsiosa. Nambaran'ity farany fa maro ny dingana vita tao anatin'izay 16 taona izay. Ho azy sy ireo mpikambàna miaraka aminy dia maro ireo ezaka nataony teo amin'ny lafiny ara-pahasalamana, ny fandriampahalemana, ny fandraisana an-tanana ny fanabeazana ny tanora ary ny resaka serasera. Efa nirotsaka an-tsehatra niaro ny zon'ny ankizy koa Princesse Zoendreniny. Nisy ny nety, nisy ny tsy nety raha ny nambarany saingy tokana ihany ny tanjona dia ny hitondrana ny anjara boriky ho fampandrosoana ny fiainan'ny mpiara-belona. Efa mañana fehin-kevitra havoaka izy ireo araka izany taorian'izày 16 taona nijoroan'ny fikambanana izay. Efa mañana vina ihany koa izy ny amin'ny asa hatao amin'ny 5 taona ho avy ho fandraisana anjara amin'ny fampandrosoana ny Firenena. Nankasitraka ireo mpikambàna rehetra Princesse nandritra izay fiarahana tao anatin'ny 16 taona izay izay nahitana ireo mpitsabo nentim-paharazana ihany koa.
Pati
Légende :Princesse ZOENDRENINY Elakovelo Etsiosa, filoha mpanorina ny Fédération des communautés royales traditionelles coutumières culturelles de Madagascar !
 

Dans la même rubrique

04-déc-2025

decodeus 15 nodorana, olona 66 no efa nosamborina

Card image cap
04-déc-2025

Namoaka ny boky miavaka 3 ho an’ny ankizy ny Éditions e-Vetso

Card image cap