Araka ny fanazavan’ireo mpikarakara izany tetsy amin’ny Campus Telma Andraharo omaly, dia ho maro ny hetsika ho hita ao anatin’izany. Isany ny fifidianana tovovavy sy tovolahy mendrika na “élection Miss et Mister”. Eo koa ny fampisehoana lehibe iarahana amin’I Wawa, ny Dola kopaka izay fampiadiana akoho, Dola rotra na fisintoman-tady, ny Dola sprint na hazakazaka 100 metatra eny amin’ny torapasika, ny Dola gony na hazakazaka anaty gony, ny tologna sy ny maro hafa, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray. Ezahana asongadina, araka izany, ny kolontsain’iny faritr’i Vatomandry iny, hoy ny fanamarihana.
J. Mirija
Rahariva izany no fotoana miaraka amin’i Silo etsy amin’ny Enceinte Urban Futsal Galaxy Andraharo
Hanomboka amin’ny faran’ny volana jona 2025 izao ny fanodinana ny horonantsary