hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo. Hotanterahina etsy amin’ny salle d’œuvre, Ekar Trinite Masina, Mangasoavina izany ny sabotsy 8 may izao, iarahana amin’ny Sefada - FET. Hitohy ny alahady 9 jona etsy amin’ny salle d’œuvre, Ekar St Etienne Ambanidia izany. Karakarain’ny FET, Ekar Notre Dame de la Paix Andrainarivo. Samy hanomboka amin’ny 2 ora ireo seho in-droa miantoana ireo. Hetsika nataonay ho fanohanana ireo tanora FET hiatrika ny fihaonambe hatao any Antsiranana izao araka ny efa tarigetranay amin’ny fanohanana sy fanaovana asa soa, hoy ny lehiben’ny tarika Iray Fy’Art, Niravo. Nambarany fa sady fialamboly no fanabezana ary fanomezan-kasina ny kanton’ny tantara ny seho an-tsehatra entin’izy ireo amin’izany. Maneho ny fiainana an-davan’andro sy ny fifanjevoan’ny resa-pitiavan’ny tanora ary koa ny saranga miaraka amin’ny trangam-piarahamonina ny tantara lalaovinay, hoy ihany izy. Hifanakaiky kokoa amin’ny mpankafy izy ireo amin’io fotoana io ary ahitana an-dRakoto, Faly, Synèse, Niravo ary i Antsaravaka. Handrindra ny lafiny tekinika sy ny fanentanana kosa, Bruno Rakotomalala. Tsiahivina fa hihazo ny any Faratsiho izy ireo ny 16 jona izao, izay fetin’ny ray, miaraka amin’ny CEG any an-toerana, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Rahariva izany no fotoana miaraka amin’i Silo etsy amin’ny Enceinte Urban Futsal Galaxy Andraharo
Hanomboka amin’ny faran’ny volana jona 2025 izao ny fanodinana ny horonantsary