airtel

kolontsaina

12-janv-2023

kolontsaina

Misaona ny Hip Hop Malagasy Nodimandry I Tax Bouta

Sample post image

Nodimandry teo amin’ny faha-42 taonany Rafanomezantsoa Iarisolo, fantatra tamin'ny anaran-tsehatra hoe Tax Bouta izay mpikambana sy mpamorona ny tarika Rapadango,

12-janv-2023

ary efa tao anatin'ny vondrona lehibe “Dio XVI” ihanyy koa. Andrerezin'ny gadona Rap nanomboka tany amin'ny taona 1998. I Tax Bouta sy i TAX (tao amin'ny tarika Da HOPP) no nanangana ny tarika Rapadango niaraka tamin-dry Bambs sy TongueNat ary Farah Femcee taty aoriana. Maro ihany koa ny fiaraha-miasa nataony tao anatin'ny gadona H&H, toy ny tamin'i Tiffen sy ny tao amin'ny tarika Mik Mak Crew niaraka tamin'i TongueNat sy Slam Jah. Ivelan'ny gadona Rap, nisy ihany koa ny fiarahany tamin'i DJ Denis (Rdj'S Team) sy tamin'ny Rakoto Frah Junior ary Bambs. Sojabe sy Andrarezin'ny Hip Hop Malagasy nametraka lova an-kira maro i Tax Bouta ary miara-manaiky azy ny fianakaviamben'ity gadona ity. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany manontolo sy ny tontolon’ny mozika banga azy.
Nangonin’I Toky R
 

Dans la même rubrique