airtel

kolontsaina

30-mars-2026

Mpanakanto Shyn

"Mbola tsy hita ny hazavana"

Sample post image

Taona maro nahazoana ny fahaleovantena,

30-mars-2026

betsaka ireo olona nilaza ho tia tanindrazana nifandimby, hoy ny mpanakanto Shyn. Hatreto mbola tsy hita ny hazavana, hoy izy. Mbola tsy hita ny fanantenana. Maninona ny fireneko no mbola marary? Aiza ireo olon-kendry? Aiza ireo olo-marina? Samy manangona izay mahazo dia misitaka. Ity reniko Gasikara im-piry no voafitaka, voahitsaka? Ireo mpangalatra mihaja ambony latabatra tehafana sy dokafana. Etsy ankilany ireo madinika sahirana, mitady izay hoanina anio ho an’ny zanany. Taloha ny fahavalo avy any ivelany fa ankehitriny dia isika ihany. Mbola afaka miova. Mbola afaka manova. Aza avela ho faty ho azy ireo razam-be tsaroana rehefa 29 martsa ireo! Aza avela raha tsy tena afaka marina isika ka mahaleo tena ara-tsakafo, fampianarana mipaka fiainana iainana eto, fahafahana mamorona asa, afafahana tsy hangataka lava amin'ny firenena hafa, hoy hatrany ity mpanakanto ity.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique