airtel

kolontsaina

03-déc-2025

Mpanao vakodrazana

Maniry hanana kianja lehibe

Sample post image

Ny kolontsaina na vakoka na zavakanto

03-déc-2025

dia tsy natao ho avaozina fa natao hanaraka vanim-potoana, hoy ny mpiangaly vakodrazana, Rabejean Wisco na Rabejean Sodina vava. Lasa miondana kolontsaina daholo, hoy izy, izao na ny zaza na ny ankizy na ny tanora, lehibe, antitra, vavy, lahy. Vitsy nefa ny sehatra ivelarana. Ny hiragasy izao tsy manana afa-tsy ny Kianjan’ny kanto etsy Mahamasina, ohatra. Ankoatran’izay, etsy amin’ny minisiteran’ny kolontsaina etsy amin’ny tranombokim-pirenena. Ireo ihany no sehatra azon’ny mpihira gasy ilalaovana eto Antananarivo ka natao ho an’ny rehetra. Izay ankoatran’ny hoe maka ny fiangonana Katolika ary na ny mpandala fomban-drazana atsy na ny fikambanam-behivavy ohatran’izao sy ny tahaka izany. Efa tokony hisy kianja malaladalaka kokoa na mila fanatsaràna kokoa ireo fa tsy ampy. Ny vakodrazana moa dia ambany maso tsy tazana toa vatan’orona tanteraka. Hitodihan-tsy hita toa ravin-tsofina indraindray satria tsy misy mihitsy ny kianja natokana ho an’izany eto Antananarivo. Ny trano fanaovana teatra taloha na vakodrazana taloha tahakan’ny tranopokonolona Isotry sy ny maro tsy voatanisa izao efa lasa toeram-pivavahan’ny fiangonana zandriny. Ireny ve tsinona no mampidi-bola bebe kokoa ho an’ny fanjakàna? Nisy ny ezaka nataon’ny minisitera nifandimby, tahaka ny hoe ny trano fampianarana Charles Ravaloson, ohatra, na ny OFNAC Analakely, izay sampan-draharaha miankina amin’ny minisiteran’ny kolontsaina, dia hita tokoa hoe miezaka saingy mbola tsy tena manome avara-patana loatra izay vakodrazana izay. Izahay mpanao vakodrazana izao maniry ny mba hanana kianja lehibe toy ireny kianjan’ny Kanto ireny satria tsy azo ilalaovana vakodrazana ny kianjana hiragasy, ohatra. Samihafa tsinona ny hiragasy sy vakodrazana ary takiana ny hoe hanitarana izany eto Antananarivo satria eto foana no hiaingan’ny zava-drehetra. Niainga ny tolona ho an’ny fanovàna dia teto. Mankany amin’ny fanavaozana ny ezaky ny minisitera saingy tokony ho sady asa no kabary. Mba tokony hisy kianja iray lehibe hilalaovana, ohatra, eo Analakely isa-kerinandro dia mba mifandimby miakatra eo ny taranaky ny kalaza toa an-dry Randria Ernest Zanany, Rajean Knaka, Rakoto Frah Junior, Vononavoko zanany. Toy izany koa izahay zandry tahaka an’i Rabejean Miarinarivo, Raozy gasy, Vonivoahangin’i Tsiadana sy ny maro samihafa. Ekena tokoa hoe mila fampahafantarana. Efa nisy fakàn-kevitra teo. Tany amin’ny minisitera izahay tamin’ny fakàn-kevitra voalohany. Rehefa nandeha nefa ny famintinana ny zava-drehetra dia tsy voaantso izahay. Ireo tena nivory indray no tsy tany. Misy zavatra tokony efa fantatrao koa amin’ny maha minisitra anao fa tsy mila ampahafantarina na ampahatsiahivina intsony. Isany izany fametrahana kianjan’ny vakodrazana izany. Ny vakodrazana no fehin’ny kolontsaina rehetra manerana an’i Madagasikara. Rehefa manao vakodrazana dia hita eo daholo na ny fitafy na ny fandihy na ny fihira avy amin’ny faritra miisa 23. Amin’ny sehatr’asa rehetra mihitsy dia tsy hoe tonga eo amin’ilay sehatra ianao vao hianatra hoe inona no izao sy izao ato? Tsy tokony ho minisitry ny kolontsaina mihitsy ny olona raha tsy mahafantatra akory ny atao hoe kolontsaina! Ho minisitry ny fitsaràna ve dia tsy nianatra lalàna? Ho minisitry ny fahasalamàna ve dia tsy nianatra fitsaboana? Mba tokony efa manana ho entina ianao fa ny tsy ampy sisa no hamenoanao azy, hoy hatrany ity mpandala ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique