tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

kolontsaina

Mpitsabo Malagasy FITRAMA Nametra-pialana tsy ho mpitantana intsony i Jean Nirina

Ny mpitsabo malagasy FITRAMA dia nandray hatrany ireo mpianatry ny oniversite miankina na tsy miankina amin’ny

28-févr-2023

Sample post image

fanjakana nangataka fizaran’asa sy fiofanana matihanina toy ny orinasa samihafa eto Madagasikara izay mandray ireo mangataka izany, hoy ny filohan’izy ireo teo aloha izay nametra-pialana omaly nanoloana ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny fahasalamana mahakasika izay resaka fitsaboana nentim-paharazana izay, Jean Nirina Rafanomezantsoa. Tsy voatery hiasa ao amin’ny orinasa izy ireny, hoy izy. Nandritr’izay 3 taona mahery izay dia nahatratra 3600 isa ny dosie fangatahana asa sy fizaran’asa tato. Betsaka ny manana marim-pahaizana bakalorea. Ilaina noho izany ny manome fiofanana azy ireo mba hanana asa. Nanapa-kevitra izahay hanome fiofanana ara-kasa tanora miisa 200. Tsy nanavahana tanora, tsy misy vola aloha na ariary aza. Nampianarina ireo tanora ireo hamorona asa, fahaiza-miaina, fanajana raiamandreny, tolotra sy tinady, harena voajanahary, fitiavan-tanindrazana, fifandraisana, fitantanana, tontolo iainana sy ny maro hafa. Tompon’andraikitra sy manana traikefa maro no manome fiofanana. 3 volana tsy an-kiato ny fiofanana omena ety amin’ny foibe 67ha. Malalaka ny safidiny avy eo na hamorona asa ho azy na hiasa amina toeran-kafa na hiasa ato amin’ny FITRAMA ihany. Raha ity farany moa no safidiny dia tsy maintsy manohy fiofanana hatramin’ny 2 taona izy mba hahazoany ny fanamarinana klinika na “observation clinique”, hoy hatrany ny tenany. Nilaza moa ny tenany manoloana ny fampahatsiahivan’ny minisitera fa hifantoka amin’ny fifindra-monina any ambanivohitra na “exode urbain” sy ny politika amin’izay manomboka eto fa tsy hiditra amin’ity resaka fitsaboana nentim-paharazana intsony taorian’iny naoty iny. Ny tantara no hitsara, hoy hatrany ny tenany, ka mankahery ny ekipa rehetra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanabeazana sy asa fandraharahana Hiara-hiasa akaiky ny Club IST’Orique sy ny JEJOO
02-juin-2023

Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.

Card image cap
Carpe diem Ho ampiainina etsy Isoraka miaraka amin’ny Doubl’e’nn
02-juin-2023

Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990

Card image cap
Josephin Andriandrainarivo «Maka ozona amin’ny mpahary isika manovaova teny malagasy io»
01-juin-2023

Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.

Card image cap
Iray volan’ny ankizy Ankizy miisa 300 no notolorana fanomezana omaly
01-juin-2023

Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.

Voir plus