ny riaka no valampariako”. Horonan-tsarimihetsika Malagasy nosoratana sy nalaina avy amina tantara tena nisy ; natao hampatsiahy indray ny tantara, ka Malagasy nanao fikarohana mihitsy eto no mitantara fa tsy boky vahiny. Mampiseho ny maha mpanjaka lehibe an’Andrianampoinimerina, ilay nahay nampitambatra ary nahay namadika ho tombotsoa iombonana ny fahasamihafana. Misy ventiny azo raisina tsara amina na resaka paikadim-pitantanana sy fitarihana mahomby ary ny fandaminana firenena.
SARY : Ny profesora Raymond Ranjeva sy Tahina Razafinjoelina
SEHO KANTO
Taorian’ny soradihy fanokafana ny lanonana sy ny teny fanoloran’ny isan’ireo mpanohana sy mpiara-miombon’antoka amin’ity sahan’asa ity toa ny Profesora Raymond Ranjeva ( Fikambanana Valamparihy) sy Thierry Rajaona (FTHM Consulting) ary Henri Randrianierenana mpanatontosa dia naneho ny talentany koa ny tarika mpitendry lokanga, izay vao nahazo ny loka iraisampirenena ho an’ny mpanakanto mendrika nandritry ny fifaninanana nokarakarain-drizareo soisa tany Belzika farany teo dia ny tarika Quatuor Squad izany.
SARY : Samy nanolotra seho kanto ny SMK Obus School mpanao soradihy sy ny Quatuor Squad
TSANGAN-KEVITRA TSY TONTAN’NY ELA
"Ny manao zavatra tsy mora ary ny mora tsy manao zavatra.", fehezanteny nisongadina nentin’ny Pr Raymond Ranjeva sy ny fikambanana Valamparihy namintina ny sedra nolalovan’ny ekipa rehetra nandray anjara naha tontosa ity sarimihetsika ity io. Anjozorobe, Atsimo atsinanana, ny tahirin-javaboary ao atsinanana na “réserve de l'atsinanana”, ireo no toerana nanatontosana ity sarimihetsika maharitra 1 ora sy 48 minitra ity tao anatin’ny herintaona sy tapany. Firenena tokana, tsangan-kevitra tsy tontan'ny ela ary mitarika fiovam-pamindrana kosa no nasongadina tao anatin’ny sarimihetsika izay notsoahina tamin’ny tantaran’ny fitondran’ny mpanjaka Andrianampoinimerina ny fanjakany teto Madagasikara ka isan’ny singa goavana mahatonga ny malagasy tsy voasarika hiady an-trano mandrak’androany. Namintina ny nananganan’Andrianampoinimerina firenena! Tsy ambakan'ny hafa fa manana ny hasiny sy ny anjarany eto amin'izao tontolo izao fa tsy hoe mahantra sy farahidiny i Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavana. Mampahafantatra amin'izao tontolo izao ny tantaran'i Madagasikara araka ny fitantaran'ny malagasy azy ny sarimihetsika. Aorian’izao dia ho alefa amin’ireo oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana arak’izay tratra eto Madagasikara ny sarimihetsika.
SARY : Santionany tamin’ireo mpilalao namelona ny tantara « Nampoina, ny riaka no valamariako »
HANENIKA AN’I MADAGASIKARA SY IZAO TONTOLO IZAO
Mpianatra miisa 700.000 eo ihany koa eny anivon’ny ambaratonga faharoa no ezahana hahita izany. Halefa amin'ny fahitalavim-pirenena na TVM hitarihana adihevitra avo lenta avy eo. Mba tsy ho mpihinana amam-bolony ny Malagasy fa olona misaina, mijoro, miteny. Atolotra, haseho amina hetsika goavana na “festival” iraisam-pirenena koa. An-jatony tapitrisa ariary no lany, , lafiny famokarana fotsiny izay, nihomehezan’ireo mpanao sarimihetsika any ivelany kanefa tena izay no takatra, hoy hatrany ny fanazavana. Mbola mandray fanampiana ho an'ireo izay hitondra anjara biriky izahay, hoy ny Valamparihy.
SARY : Nitondra hafatra an-kira misy ho saintsainina tsara ny tarika Mahaleo
NANAO DIA NAHAVITA
Ny FTHM consulting moa no nikaroka ireo mpiara-miombon'antoka sy mpanohana. Niantohan'ny masoivoho Britanika eto Madagasikara kosa ny dikateny teo ambanin’ny horonantsary natao tamin’ny teny anglisy na “sous titrage en anglais”. Mampitambatra ny malagasy ny tany, rano, vary, omby, rivotra, hoy kosa ny tarika Mahaleo, izay isan’ny nitondra seho nandravahana ny fandefasana ny sarimihetsika.Tsy misy malagasy vahiny amin'ireo izany, hoy i Dama. Eran-tany, hoy izy, dia tsy misy izany hoe fitondrana jiolahimboto, jadona izany ka maharitra ka aza misara-mianakavy. taorian’ny fandefasana ny sarimihetsika moa dia namintina ny zava-drehetra ny mpanatontosa, Henri Randrianierenana. Vao nieritreritra an'ilay izy izahay, hoy izy, dia efa nahita hoe sarotra. Nanao izahay dia nahavita. Tsy ny miezaka no mahavita fa ny manao. Kanto no natao ka ny nilaina dia angovom-batana, angovon-tsaina ary indrindra fa angovom-panahy. Mafy ny niatrika ny fanodinana. Mafy ny asa. Nisy fotoana tsy nisy rano sy jiro herinandro. Rano tamin'ny tavoahangy kely no nisasana fa dia misaotra anareo ry zalahy, hoy hatrany ity mpanatontosa sarimihetsika sy teatra ity.
SARY : Notoloran’ny mpijery ny « Standing ovation » ho fankasitrahana azy ireo, ireo mpilalao sarimihetsika nony vita ny seho.
RTT sy J. Mirija
Rahariva izany no fotoana miaraka amin’i Silo etsy amin’ny Enceinte Urban Futsal Galaxy Andraharo
Hanomboka amin’ny faran’ny volana jona 2025 izao ny fanodinana ny horonantsary