airtel

kolontsaina

24-avril-2023

kolontsaina

Poety rebely Namoaka ny «Anindaotse»

Sample post image

Tontosa ny alin’ny zoma teo tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely ny lanonana manetriketrika nampahafantaran’ilay mpanakanto, mpanao poezia,

24-avril-2023

Poety rebely, ny rakipeony mitondra ny lohateny hoe «Anindaotse». Ahitana tsangan’asa miisa 13 izany ho fanamarihany ihany koa ny 13 taona nilomanosany tao anatin’izay poezia izay, raha ny nambarany. Ny fitiavan-tanindrazana, ny adin’ireo vehivavy izay hitolomany, ny tantarany. Ireo no tena fonosin’ity rakipeo, hoy i Olsenie Rasoanivo na Poety rebely. Ity moa no rakipeo voalohany navoakan’ny mpanakanto, hoy hatrany ny fanazavany. Mivoatra rahateo moa ny tekinolojia ka dia tsy voatery raketina am-boky foana intsony izany izao fa mba atao am-peo ihany koa ny poezia.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Rahariva izany no fotoana miaraka amin’i Silo etsy amin’ny Enceinte Urban Futsal Galaxy Andraharo

Card image cap
27-mai-2025

Hanomboka amin’ny faran’ny volana jona 2025 izao ny fanodinana ny horonantsary

Card image cap