airtel

kolontsaina

12-mai-2022

kolontsaina

Razafinjoelina Tahina “Tsy maintsy atao ny fanagasiana”

Sample post image

Raha ny tantara no jerena dia tokony nitondra zavatra tsara ho an’ny firenena ireny fotoana ataoko hoe mahamay ireny, hoy ny filohan’ny antoko politika Tia Tanindrazana sady mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo,

12-mai-2022

Tahina Razafinjoelina, fa ny zava-misy iainantsika amin’izao dia mbola tena maloka. Tsy ny tolona, hoy izy, no diso fa ny fomba nitondrana azy taorian’ny tolona.
TIAVO NY ANTSIKA
Tena tsara sy tena ilaina ary tsy maintsy atao ny fanagasiana. Ny olana dia haingana loatra isika nivadika tamin’ilay teny nipetrahana teo dia ny teny vahiny nankany amin’ny teny Malagasy dia betsaka no tsy naharaka. Vahaolana izany dia ny fandefasana tsikelikely na an-tanan-tohatra ny fanagasiana. Tokony teny malagasy no teny enti-mampianatra sy fanazavana ny fampianarana. Tsy miteny aho hoe teny Malagasy 100% fa rehefa misy ilaina, ohatra, ny itenenana hoe “informatika”, izay aloha no ahazoan’ny malagasy maro azy dia izay no tokony natao. Lasa somary maika loatra ary mipetraka kely koa ny ambom-po diso toerana raha hiteny hoe tonga dia natao 100% ilay izy. Lasa nieritreritra isika fa diso ny fanagasiana taorian’ny tolona. Marina nefa ny fanagasiana ary tsy maintsy atao. Tsy misy tanjona mora azo izany fa rehefa tsy maintsy atao dia atao. Marina tokoa fa sarotra izy izao satria efa mipetraka be amin’ny Malagasy ny hoe rehefa miteny vahiny dia ambony. Mampalahelo be mihitsy isika Malagasy fa rehefa mba manamanana kely dia teny vahiny no hifampiresahan-drizareo. Mahita izany ho tena fahoriana aho satria tsy mariky ny fahamboniana mihitsy ny teny vahiny. Tsy hoe rehefa maharaka hira vahiny ny tanora dia midika ho ambony. Hatrany amin’ny kolontsaina sy ekonomika dia lazaintsika ho ratsy daholo ny vita gasy rehetra. Tiavo ny antsika aloha.
TIA TANINDRAZANA
Marina ilay hoe mitombo tarehy rehefa tiana satria raha mijery sarimihetsika Malagasy isika izao ohatra tsy hitovy mihitsy amin’ny sarimihetsika amerikanina. Tsy miha tsara io raha tsy tiavintsika. Mbola misy ny Malagasy tia tanindrazana ary vitsy aza raha misy no tsy tia tanindrazana satria fitiavan-tena no mifanohitra amin’ny fitiavan-tanindrazana. Raha hiresaka fitiavan-tanindrazana isika dia tokony hijery ny mahasoa ny daholobe dia mandeha ho azy ny fiainan’ny tsirairay. Tia tanindrazana isika fa mila fanabeazana amin’izany hoe ahoana marina moa izany tia tanindrazana?
TOMBOTSOA IOMBONANA
Tsy mijery ny tombotsoa ho an’ny tena irery izany fa tsy maintsy mijery ny hafa ary ny hafa rehefa mandroso dia mandeha ho azy ny an’ny tena. Izay no antsoina hoe fahefa-mividy. Tsy misy ny fahefa-mividintsika satria tsy mitia ny antsika isika fa ny an’ny hafa foana no tiavintsika sy vidiantsika an-kolaka na mivantana. Mahavita miady varotra amin’ny katsaka isika rehefa mandeha eny Ambatofotsy fa maninona isika rehefa miantsena ao amin’ny Leader price no tsy sahy miady varotra rehefa tonga eo amin’ilay fandoavam-bola? Fitiavan-tena ilay, noho izany, ary fitiavam-boninahitra koa no tena olana. Ny dikan’ny hoe manatsara ny Malagasy tsy hoe andao hamboarina ny endriky ny Malagasy. Ny endrika izany mahafinaritra. Ny mahasoa aloha vao ny mahafinaritra. Ny saina sy ny fanahy no mahasoa ka raha tena hitady ny mahasoa ny malagasy dia ny any amin’ny fanabeazana ara-tsaina no mianga voalohany. Izay no maha zava-dehibe ny fanabeazana, hoy hatrany ny tenany.
Legende: Razafinjoelina Tahina, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap