airtel

kolontsaina

26-déc-2022

kolontsaina

Silo sy Rod Eagle Hamarana ny taona etsy Analakely

Sample post image

Hamarana ny taona etsy amin’ny Hotely Pietra Tana Analakely I Silo sy Rod Eagle ny alin’ny 31 desambra izao ary eny an-toerana ihany koa, araka izany,

26-déc-2022

no handraisan’izy ireo ny taona vaovao miaraka amin’ireo mpankafy te hifampizara faraparany aminy ny mozikan’izy mirahalahy ireto amin’ity taona ity. Alina “White and blue”, izany hoe “Fotsy sy manga” no lohahevitra nofidian’ny mpikarakara ny hetsika sy izy mirahalahy amin’io alina io, hoy ny fampitam-baovao. I Silo dia hamerina hampanembona ireo hira nankafizan’azy hatramin’izay toa an-dry “Rimorimo”, “Aoka izay”, “Anjeliko” sy ny tohiny rehetra hatraty amin’ny taona 2022 aty mihitsy amin’io ary “Review” na hoe “Tamberina” mihitsy rahateo moa no nampitondraina ny lohatenin’ny fizarana voalohany izay hiantsorohany. Ny DJ Rod Eagle kosa no hiantoka ny ambiansy hitsenana ny taona vaovao amin’ny tapany faharoa, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap