Lasa mifampiampanga ny samy artista, ary mifanao teny mahery mihitsy aza. Andaniny tarihin-dry Rossy sy ireo mpikamban’ny filankevi-pitantanana tahaka an-dry Samoela manakiana mafy ny Minisitry ny serasera sy kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy sy ny ekipany ho fositra nanakorontana ny OMDA, ary mitaky ny handoavana ny zon’ny mpamorona izay tao anatin’ny herintaona eo tsy nositrahana. Manohitra ihany koa ny fivoriambe sy fifidianana Filohan’ny filankevi-pitantanana kasain’ny artista sasany hatao etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina anio 24 janoary 2023, ary misy mihitsy ny resaka nandeha omaly fa ho avy masiaka ao an-toerana izy ireo. An-kilany, nisy ihany koa ny fanambarana nataon’ireo mpanakanto sy mpamorona sasany notarihin-dry Tonton Pa, Meizah, Malm Martiora, milaza fa tapitra tamin'ny volana novambra ny fe-potoana fiasan'ny filankevi-pitantanana (CA OMDA). Tsy misy rijan-teny milaza ny fotoana hanatanterahana ny fifidianana ka nilazan’I Tonton Pa fa tsy sanatria filam-baniny na ady fa tsy maintsy entina ny fanazavana sy ny hevitra. 500 taona ny “Empire Romanina” fa rava ihany, hoy izy. “…Tokony samy misitraka tombontsoa ny rehetra fa tsy ny hafa ihany. Tsy karama isam-bolana no raisina ao amin'ny OMDA fa ny fitakiana ny fitovian'ny zon'ny mpikambana rehetra no antony hidiranay anatin'ny rafitra vaovao”, hoy kosa I Meizah. Nilaza kosa I Martial izay ao anatin’ny filalaovana sarimihetsika fa, misy ireo mpanankanto mitsivalam- pandry na misakana ny filoha tsy hanendry ny filohan'ny OMDA, izay nilaza fa aoka izay ny tombontsoan'olom- bitsy fa aleo mba tombontsoan'ny rehetra no jerena. Hiainga amin’ny fivoriambe anio no hoe: hanolorana olona hotendren’ny Filoham-pirenena. Tsara ihany koa anefa ny mampatsiahy, fa ny volana desambra teo dia efa nilaza ny mpanakanto Rossy ny 14 desambra 2022 taorian’ny fandanian’ny depiote ny tolo-dalàna momba ny OMDA natolony hoe: Nitondra hafatra ho an’ny Filoham-pirenena ihany koa hoe: “Herintaona izahay tsy nandray zon’ny mpamorona, mba tendreo ny Talenay, raha misy olona mampitahotra anao tsy hanao izany dia teneno anay hanaovanay azy”. Nisy ihany koa moa omaly ny fampahafantarana laharana 050/2023/MSK/SJ/OMDA nataon’ny Ny Tale mpisolo toerana Randrianirina Rogesselin nilaza fa taorian’ny nanesoran'ny filankevitry ny minisitra ny tale teo aloha ny 02 Febroary 2022 dia nisedra olana teo amin'ny famoaham-bola noho ny olana teo amin’ny rijan-teny. Tondroina ho mitarika fihantsiana sy vitsy an’isa ireo mpanakanto hafa izay ambara fa efa nitantana nandritra ny 20 taona aza kanefa tsy nahatsapana fanavaozana ho an'ny tombontsoan'ny mpanakanto akory.
Toky R
Mankahery antsika vahoaka malagasy, hoy ny mpanao politika Kristianina,Eliace Ralaiarimanana. Aza kivy isika fa ny haizina mbola hazava, hoy izy.
Ho resaka hifandroritana ato ho ato indray ny fananganana Faritra vaovao. Ny tena resaka, tsy dia hoe fampanatonana akaiky kokoa ny renivohi-paritra,
Noho ny fankalazana ny faha 63 taonan’ny fahaleovantena dia hikarakara hetsika maimaim-poana seho hira gasy
Samia manadio ny tandrify azy, hoy ny mpitsabo nentim-paharazana sady mpandala ny nentin-drazana, Randimbiarimanana Feno Manankasina na Maitre Feno, naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena.
Bella», «J’me tire», « Changer », « Zombie », «Avant qu'elle parte» no santionany amin’ireo hira nahafantaran’ny maro ilay mpanakanto iraisampirenena manana ny lazany,