airtel

kolontsaina

18-mars-2026

Tarika KIAKA

40 taona namakivakiana ny habaky ny kanto

Sample post image

1986 - 2026, feno 40 katroka

18-mars-2026

ankehitriny ny tarika KIAKA. Tarika tsy zoviana amin'ny maro, mivoy ny mozika rock ary nitety vanimpotoana. Niforona ny taona 1986 ny tarika. Ra Bita - Jonny - Charmant - Nini - Joce ireo ny mpikambana voalohany nandrafitra ny tarika. Tao amin'ny Falda Antanimena ny seho voalohany nataon'izy ireo tamin'io taona io ihany ary namoaka rakikira K7 novokarina tao amin'ny "Studio Rafales 2000" Antaninarenina izay nirakitra ny hira : "Lasa", " Izy 2 kely", "Faly", "Soavaly metaly"... Nandeha voalohany tao amin'ny Radio Madagasikara ny hiran-dry KIAKA hoe : "Lasa" io taona 1986 io. Namoaka ilay hira "Ilay Mahantra", izay isany nahafantarana an-dry KIAKA ny taona 1989 ary nanomboka nivoaka an'Antananarivo ny tarika ka Antsirabe sy Toamasina no voatsidika voalohany io 1989 io. Notoloran'ny "Minisiteran'ny Fanolokoana ny Zavakanto Revolisionera" fony minisitra Gisèle Rabesahala ny tarika ho fankasitrahana ny ezaka nataony tamin'ny fanabeazam-boho ny kanto Malagasy. Nilaza i Nini fa "Mari-pitozoana" ny tarika KIAKA io taona 1989 io. Efa nitety faritra maro teto Madagasikara sy tany ivelany (Frantsa hatrany Etazonia) ny tarika. Telo tamin'ireo mpikambana mpamorona tany ampiandohana no mbola manohy ankehitriny dia i Jonny (gitara maranitra), Joce (gitara beso sady mpihira) ary Nini (gitara sady mpihira). Ny taona 1991 no niditra i Jojo, mpively amponga maro anaka. Notoloran'ny fanjakana malagasy ny mariboninahitra "Chevalier de l'Ordre National" teo koa ny Minisiteran'ny Kolontsaina nanolotra "Officier des Arts et des Lettres" noho ireo sanganasa sy seho maro vitan'ny tarika ary koa ny fitozoana teo amin'ny habaky ny kanto. Eo ampanomanana seho goavana ny tarika ho ivon'ny fankalazana io faha-40 taona io, seho izay hatao ao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy Fanatanjahantena ny 7 jona 2026.
Jean D.
Ry KIAKA notoloran'ny fanjakana mariboninahitra
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

an-tanana ao Inde

Card image cap