airtel

kolontsaina

03-nov-2023

TENY GASY

Hadimiana ambonin’ny 6 novambra

Sample post image

Aoka lehiretsy : raha isak’izay hotakotaka dia hisotasota hanotohoto ny #Tany_Teny_Tantara,

03-nov-2023

mandrora mitsilany sady mamono tena isika.
Isaky ny 6 novambra, lasa fahavarana ny mitanisa hoe «tsy fahatsiarovana zary fahatsiarovana fotsiny ihany fa, arak’ireny «Tabataban’ny Fahanginana» niarahana hatrizay teo Andohalo ireny, di-doha mba tsy hanadinoina mandrakizay. Sanatria sanatria tsy hanindroa izay nahalevona ny Rova».
Tsy hanindroa ? Indrisy anefa fa, hatramin’ny 6 novambra 1995, dia efa nisy afo ny Rovan’Ambohidratrimo, ary izao tra-pahavoazana izao indray koa ny Rovan’Antsahadinta. Raha «sanatria», tsy misy miaro ny Rovan’Ambohimanga, ho tazanim-potsiny ny Rovan’Ambohidrabiby, sns, sns. Ary ny fasan’Andriambahoakafovoanitany (Ambohiniazy-Itasy), Andriantompokoindrindra (Ambohimalaza), sns, sns. ?
Hatramin’ny 6 novambra 2008, dia efa natao mateti-piavy ity lahatsoratra ity. Tsy ho lany daty mihitsy raha mbola tsy tafalatsaka an-tsaintsika rehetra, indrindra ireo milaza azy ho «mitantana», ny fiarovana toa anakandriamaso ny Vakoka sy ny Tantara.
Ny nahamay ny Rova no zary vay an-kandrina tsy takona afenina saingy tsy mitsaha-mitombo ny kitoatoa mahavery tadidy ny firenena ka atahorana hahavoa tamberintany ny taranaka fara aman-dimby.
Iniana tanisaina etoana mba ho raiki-tampisaka satria mitovy ny nahasahian’ny sasany nandoro, na ny Lapan’Andafiavaratra (11 septambra 1976) na ny Rovan’Antananarivo (6 novambra 1995). Tsy afa-misaraka amin’ireny koa ny faharavan’ny Trano Gasy miavaka toa ny tranon-dRainimboay tetsy Ankadifotsy-Ambatomitsangana na ireo Trano Gasy miavaka ravarava fahatany na dia hoe tsy adala avokoa aza ny olona fa ny ondrakondrafana tokoa angamba no betsaka. Tsy maintsy tanisaina miaraka aminy ihany koa ny fanotofana sesilany ilay lemak’i Betsimitatatra sompitr’Imerina (na ny farihy sy tanimbary rehetra manolotra ny bypass). Tsy azo hodian-tsy hita ny fahasimban’ny « Archives » na ny fahaverezan’ny tahiry an-tsarimihetsika (ampiana ny nandoran’ny sasany ny Radio Madagasikara tamin’ny 26 janoary 2009).
Avereno vakiana ny fitantaràna an’Antananarivo fahizay dia banjino ilay Renivohitra iainana isan’andro ankehitriny. Ilay Vohitra fahiny niavaka avy hatrany ny maha-Merina azy, ilay Tanàna ankehitriny mampitovy randrana mety manendrika ny tanàna any Andafy any. Ny « Trano Gasy », nampivadiana ny mari-tranon’i Besakana sy ny rihana ary ny lavarangana manodidina, no isan’ny nampiavaka indrindra ilay Antananarivo tamin’ny « Tany Gasy ». Renivohitra mierina ambony havoana, nosy vatolampy afovoan’ny rano sy varin’i Betsimitatatra. Antananarivo, ny Rova, ny Tsena Anjoma, ny tanimbarin’i Betsimitatatra, ny Trano Gasy, ny Fiangonana Tranovato tsangambato. Tsy Paris, tsy New York, tsy London, tsy Berlin, tsy Roma. Tsy vohitra notefitefen’ny mpanjana-tany vazaha, tsy manaraka ny « urbanisme » tandrefana, satria tetezin’ny lalan-kely miholikolika fa tsy vakian’ny arabe tora-tady.
Hoy Rabearivelo, « Iarivo, Iarivo, na milapatra eo amin’ny ahitra milenoky ny tanimbary, na monin-drery toy ny raiketra eny amin’ny vatolampy ». Izany no Analamangan’Andriampirokana, Antananarivon’Andrianjaka, trafo mitondra ny Fitomiandalan’Andriamasinavalona. Isaky ny mahatsiahy ny nahamay ny Rova aho dia velona ahiahy amin’ny fahaverezan’ny endriky ny tanànako : naleoko ihany ilay Zoma nahasarika an’izao tontolo izao toy izay itony tsena tselika mameno arabe itony ; aleoko foana hatrany ny Trano Gasy mibahana ny vohitra dia ery ambany atsimo ny rindrimbe miezinezina fivarotan’ny Karana, tsenan’ny Sinoa, biraom-Bazaha ; alaheloko mandrakizay ny tanimbary natakalo ireny « faritra iva » dibo-trano sy tra-boina fahavaratra ireny.
1995-2008-2023 : impiry impiry, no nangataka mba hanaovana ny 6 novambra ho andron’ny tsangambaton’ny Tantara, na ao Anatirova, na eto Antananarivo sy Imerina, na isam-poko isam-pirenena manerana an’i Madagasikara. Saingy, indrisy.
VANF

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Hatramin’izao dia mbola tsy eken’ny fanjakana malagasy ho andro tsy fiasana

Card image cap