airtel

kolontsaina

06-sept-2023

TENY GASY

Izay voky maharaka ny namany

Sample post image

Mifanindran-dalana ny famadihana sy ny fidiran’ny mpianatra. Iza no ho omen-danja kokoa,

06-sept-2023

satria samy vola mivoaka avokoa ireo, ary indrindra raha fianakaviana sahirana, ny razana efa maty sa ny taranaka ho reharehan’ny fianakaviana sady ho avin’ny firenena ?

Fomba moa ilay famadihana, ka sarotra asian-teny. Na izany aza, mahasosotra ihany ny mieritreritra hoe karama efa hiazin’ny vidim-piainana, mbola laniana amin’ny famadihana ny maty efa tsara toerana any am-pasana. Ankilany, mahasosotra ihany koa ny fomban’ny sekoly mitaky isan-kahie izao, antontam-penina izatsy, filirony etsetra etsetra manatavy ny mpivarotra «fournitures».

Misy milaza hoe «circulation des richesses» sy «ingénierie sociale» ny famadihana. Sady fanatevenana ny fihavanana no miteraka harena, hono. Ny hita aloha dia ny fihafiana mba hanilihina tahiry, raha tsy ny fidirana trosa.

Efa taona maromaro no fantatra fa misy ireo mpianatra miala an-daharana, tsy mamonjy sekoly intsony, noho ny fahasahiranan’ny raiamendreniny. Tsy takatra ny saram-pianarana na dia ambara etsy sy eroa aza fa zo ny fampianarana maimaim-poana. Tsy zaka rahateo ny vidin’ny «fournitures». Dia indreny misy tsara sitrapo manangona «fournitures» ho zaraina. Hatramin’ny sakafo antoandro any amin’ny «cantine» dia mba efa antony iray handresen-dahatra ny Raiamandreny handrotsaka ny zanany an-tsekoly. Izany ary, eto Antananarivo-Renivohitra, mainka any ambanivohitra rehetra any.

Farany teo, nampalahelo ilay raim-pianakaviana tratra nangalatra kahie hianaran-janany. Asa, ahoana ny mason-janany nahita ny fihetsiky ny rainy, indrindra fa matim-bono sy nifona imasom-bahoaka ilay Rangahy.

Mahita vola hanaovana lanonam-panokafana ny Lalaon’ny Nosy, fa tsy misy sora-bola ny Fanjakana hiantohana ny kitapon’ny mpianatra, ny kahie, ny fanoratana, ny ronona mafana eran’ny kapoaka isa-maraina ary ny sakafo antoandro any an-tsekoly. Ny Fanabeazana sy ny Fampianarana anefa no antoky ny ho avin’ity firenena ity.

VANF

 

 

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Rahariva izany no fotoana miaraka amin’i Silo etsy amin’ny Enceinte Urban Futsal Galaxy Andraharo

Card image cap
27-mai-2025

Hanomboka amin’ny faran’ny volana jona 2025 izao ny fanodinana ny horonantsary

Card image cap