Io fahalavam-potoana io mambosy diso ny Vahoaka. Ny Gazety ampitson’ny fifidianana, lohateny lehibe, faran’izay lehibe, no mibahana sy manintona avy hatrany ny olona tsy manana ny vola akory hividianana gazety. Sary iray, teny dimy, tsy hahafehy na oviana na oviana ny fanontaniana tsy maintsy omem-baliny ho vakiana : Iza, Inona, Aiza, Oviana, Nahoana.
Dia fanontaniana fanampiny, efa eso vazivazy, ny momba ireo hoe «Tany lavitra Andriana». Dimy Arivo sy Roa Alina ny biraom-pifidianana, dimy taona lasa : asa, ho firy indray izy izao. Raha ny tokony ho izy, raha tsy nafafy tamin’ny tsy misy fotony sy tsy misy antony ny volam-panjakana, ny alin’ny androm-pifidianana dia tokony efa fantatra ny vokatra rehetra manerana ny Nosy.
Io ilay «informatika-nomerika-biometrika» : karapanondro tokana sady mandrakizay, manaraka ny Malagasy tsirairay, vao teraka ka mandra-maty. Fantatra avy hatrany firy ny Malagasy. Fantatra isan’andro firy no teraka, firy no maty. Fantatra avy hatrany Ranona nifindra monina. Fantatra avy hatrany ny Mponina isam-paritra sy isam-poko. Fantatra avy hatrany ny isan’ny mpifidy. Fantatra avy hatrany ny voka-pifidianana.
Raha izay «informatika-nomerika-biometrika» izay no tanteraka tsy afaka hamboly ahiahy tsy ihavanana ny sasany. Tsy misy fandresena feno amin’ny vokatra ampahany. Afaka mandainga daholo mantsy, na ny mitondra na ny manohitra, tany ka tsy mbola misy «informatika-nomerika-biometrika».
Enimpolo taona mahery aty aorian’ny niverenan’ny Fahaleovantena, tsy mbola ity fifidianana ity, tontosa anatin’ny ahiahy tsy mbola «informatika-nomerika-biometrika», no hamboly fifampitokisana.
VANF
Maro amin’ireo manori-tokantrano amin’ny alalan’ny fanambadiana ankehitriny
Nihaona tamin'ny talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina Analamanga ireo ekipa mandrafitra