airtel

kolontsaina

23-févr-2023

kolontsaina

TENY GASY Ny tranon’ny Gasy tany Tromelin, tsy ravan’ny rivo-doza

Sample post image

Ho fahatsiarovana ireo andevo malagasy valopolo mianaka, vaky sambo tamin’i L’utile (31 jolay 1761), ary nilaozana dimiambinifolo taona teto amin’ity nosy haolo ity.

23-févr-2023

Vehivavy fito ary zazakely iray no hany sisa velona, tamin’ny 29 novambra 1776, nahatongavan’i enseigne de vaisseau Jacques Marie de Tromelin izay nahavery anarana ity nosy ity».

Toy izay no dika-tenin’izay voarakitra amin’ny takela-bato napetraka any amin’ny nosy-kely Tromelin tamin’ny 16 aprily 2013 :

«À la mémoire des 80 esclaves malgaches de L’Utile (31 juillet 1761) qui furent abandonnés durant 15 années sur cette île déserte. Sept femmes et un enfant survécurent et furent secourus le 29 novembre 1776, par l’enseigne de vaisseau Jacques Marie de Tromelin qui donna son nom à l’île».

Nandritra ny dimiambinifolo taona nipetrahany tao amin’io nosy-kely zara raha misy 100 hektara io (1700 metatra ny lavany, 700 metatra ny sakany lehibe indrindra), dia nahatsiaro tena ho olombelona indray ary namorona fiaraha-monina vaovao ireto takalom-basy ireto.

Ny fikarohana nataon’ny arkeôlôgy notarihin’i Max Guérout sy Thomas Romon, 224 taona taty aoriana, no nahafantarana misimisy kokoa ny momba azy ireo. Ambaniandro very anarana sy very zo ary very tantara, vahoakan’Andriamasinavalona sy ny zanany efatra-mirahalahy variana niady an-trano. Vintana inona loatra fa dia mainka mbola nilaozan’ny matiloa saika hamarotra azy na dia nanampy ireto Vazaha nanamboatra ilay sambo nantenainy hiaraha-mandao ilay nosy haolo, 430 kilometatra atsinanan’i Madagasikara

Trano roambinifolo miendrika tanàna kely no naorin-dry zareo tamin’ny harandriaka. Nanaitra ny mpikaroka fa mitovy rafi-bato amin’ny ivelan’ny fasana merina ny rindrina anatiny : rindrina matevina be, mahatratra iray metatra sy sasany, ary milentika ambanin’ny fasika ny antsasany. Ny haben’ny efitra anatiny dia etiety ihany : izany no nataony, raha ny fandinihina azy aty aoriana, dia noho ny fahasarotan’ny fanamboarana tafo, satria tsy misy akora mihitsy ilay nosy fasika.

Izany trano matevin-drindrina sady somary milevina izany no niarovan’izy ireo ny tenany sy ny entana amam-pitaovany fa indrindra ny afo-tsy-maty, tamin’ny rivo-doza nifanesy nandritra ny dimiambinifolo taona. Ilay nosy-kely amin’io tsy mihoatra afa-tsy valo metatra amin’ny ranomasimbe, manodidina sy mandiboka azy.

Gaga ihany ny tena, aty amin’ny taona 2023, mahita ireto trano nantenain-kialofan’ny tra-boina, mikipaka tafo na rava rindrina vao miserana ny tafiotra. Sekoly (manara-penitra sa tsy manara-penitra ?) moa ny ankabeazan’ireny trano heverina ho mafy noho ny hafa manodidina ireny kanefa dia izao nantenain-kanirina mainka mampivandravandra ny mpanakora izao. Mba ambakain’iretsy andevo adino tany Tromelin iretsy kosa izay tompo-marika sy nanangana itony trano manala-baraka ankehitriny itony.

VANF

 


 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fanaon’ny fikambanana Hasin’ny Zazamanga ny asa sosialy sy fidinana ifotony ijerena ny fiainan’ireo tantsaha,

Card image cap