airtel

kolontsaina

23-janv-2023

kolontsaina

TENY GASY Rotsakorana hadimiana, nahafeno dobo-kamory-farihy

Sample post image

Rotsakorana hadimiana : dobo firy, kamory firy, farihy firy ? Tombontsoa tamin’ny ranonorana matevina, nojerem-potsiny. Rano tokony ho dobo-kamory-farihy, very fahatany any an-dranomasina.

23-janv-2023

Rahoviana mba hisy mpitondra Fanjakana hanamboatra «Alaotra» (laut = ranomasina amin’ny teny indoneziana) na «Itasihanaka» (tasik = farihy amin’ny teny indoneziana) vaovao ? Tsy eto an-dRenivohitra ihany, fa isam-paritra, manerana ny Nosy.

Raha eto, ohatra, atsy ambony atsinanan’Antananarivo na etsy ambany andrefan’Analamanga na ery Laniera. Fahiny hono, vita tamin’ny zahatra, manomboka Alasora ka hatrany Anosimanjaka. Vao valopolo taona lasa, mbola azo nolakanina niala teo Ambodin’Isotry ka hatrany Isahafa-Avaradrano.

Mamboly farihy ambony atsinanan’Antananarivo, amin’iny faritra Vakini-Varahina iny : Masindray-Alasora-Imerimanjaka. Mandavaka kamory tobin-drano hafa koa aty ambany andrefan’Antananarivo : io Betsimitatatra totofana isan’andro io. Alaotra-Itasy hilalaovana lakam-piara, hisangiana trondro-laoka, fitehirizan-dranonorona...Mety ho loharanon’angovo ihany koa na dia malefaka aza ny fidinan’ny lemaka manodidina an’Antananarivo, atsinanana miankandrefana, raha tanteraka eto ilay teknolojia hoe «STEP».

Dobo-kamory-farihy midadasika, hanangonana ranonorana. Vakini-Varahina, Vakini-Sisaony, Vakini-Mamba, Vakin’Ikopa. Rano hanaranam-po. Mantasoa faharoa. Mandroseza fanampiny. Tsiazompaniry sosona. Iny faritra teren’i Sisaony sy Ikopa iny, tobin-drano tsy hita velively !

Tsy eto Antananarivo ihany, tsy eto Imerina ihany, manerana ny Nosy izay manana rotsakorana ampy. Ary maninona moa, nofy omena ho dinihin’ny teknisiana, farihy lehibe mankadiry amin’ny Atsimo-Atsinanana mamatsy fantsona hanondrahana izao Atsimo ory rano mandavantaona izao.

Aiza ry Rano, aiza ry Tontolo iainana, aiza ry Angovo, aiza ry Fanajariana ny Tany, aiza ry Fikarohana siantifika. Aiza ny jeografy sy filôzôfy hanonofy dobo-kamory-farihy tsy ritra Fararano.

VANF

 

Dans la même rubrique