airtel

kolontsaina

24-mai-2023

kolontsaina

TENY GASY Tantely, fangaraka, fanenitra ary olona : fiaraha-monina amin’ny filo

Sample post image

FANGARAKA (Firaketana) : bibikely azo lazaina ho rahavavin’ny fanenitra, fianakavian’ny renintantely. Kely dia kely ny andilany.

24-mai-2023

Manao ny tranony amin’ny fotaka izy. Rehefa hanatody izy dia mitady bibikely hafa toy ny olipanjehy. Tsindroniny andefasany poizina avy aminy io, eny amin’ny vaniny misy hozatra eny, dia torana nefa tsy maty, dia ao anatin’ny nofon’io no ametrahany ny atodiny. Ny hafanan’ny tenan’io olitra torana io no mikotrika ny atodiny sady tonga sakafo hohanin’ny zanany foy ao, fa alevina ao anaty tany amin’ny lavaka hadiny io olitra io.

FANGARAKA (Rakibolana) : karazam-bibikely mitovitovy amin’ny renintately na ny fanenitra saingy izy lavalava kokoa ary manify kely ny andilany.

FANENITRA (Firaketana) : Karazam-bibikely iray antoko amin’ny renintantely, misy fanjaitra mandefa poizina ao amin’izay tsindrominy. Eny amin’ny zoron-trano na eo amin’ny tafo no anaovany ny tranony, dia trano maina ataony amin’ny zavamaniry na poti-kazo notsakoiny dia nofetainy sy noditiny tamin’ny rorany, hoatry ny taratasy maozatra. Ny lehibe dia mitsentsitra ny mamy ao amin’ny voninkazo toy ny fanaon’ny renintantely. Ny zanany dia ataony toy ny an’ny fangaraka.

FANENITRA (Rakibolana) : bibikely toy ny masomby maro mitohitohy mainty sy vony ny kibony ary misy filo manindrona eny an-tendrony.

Ankatoky ny «andro iraisam-pirenena ho an’ny tantely», ny 20 mey farany teo, nokaikerin’ny fanenitra (sa fangaraka ?) ny tena. Asa, raha ny tanana nihetsiketsika nanakaiky azy no noheveriny ho hambana na ny lokon’ny fitafy somary jaky no naha kizintina azy. Bibikely lazaina fa karazan’ny renintantely saingy tsy mba nanokanan’ny Firenena Mikambana «andro iraisam-pirenena». Bibikely kintokinto anefa izy no nanorin-trano an-davarangan’olombelona.

Ny Jesoita Abinal sy Malzac, ao amin’ny «Dictionnaire» (taona 1888) dia miantso ny fangaraka ho «abeille maçonne». Ilay trano namboarin-dry zareo dia tsara rafitra tokoa : mihantona tsy miraikitra amin’ny rindrina anefa tsara fahatra amin’ny tahon-javatra ka mahazaka tena tsy latsaka.

Nitady raharaha ny olombelona mampaniry karazan-javamaniry mety nanintona azy. Io no manahirana indraindray amin’ny olombelona sy ny karazam-biby miara-monina. Tsy maintsy ho roahina (fa tsy ho vonoina) ry zareo fa raharaha kosa raha ho voatsindrona isaky ny hanondraka ny sakay na ny voninkazo. Setroka tsy haha-te honina azy fotsiny angamba dia ho ampy hanaingana azy hifindra lasy.

VANF

 

 

 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Nizara mikasika ny kolontsaina tia fandraharahana ho an'ireo tanora 100 ao amin’ny kilasy voalohany sy kilasy

Card image cap
18-avril-2024

Hitodi-doha any Andraikiba, Antsirabe, indray ny tarika Iray Fy'Art ny alahady ho avy izao,

Card image cap