tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

kolontsaina

TENY GASY Tromelin : foin’i Madagasikara ho an’i Maorisy

Ny fahasarotan’ny «faminaniana», hoe aiza ho aiza ny nosy Tromelin, no isan’ny naha-fefika ny sambo «L’Utile» tamin’ny 1761 (jereo Teny Gasy teo aloha).

28-févr-2023

Sample post image

Roanjato taona aty aoriana, ny 26 aprily 1954, niala tao Toamasina ilay sambo «Marius Moutet», nitondra ireo olona hanangana ny toby famantarana ny toetr’andro any Tromelin. Na dia efa fitaovana moderna aza no nampiasaina, dia mbola very roa andro teny an-dalana, satria ny 30 aprily tamin’ny 9 maraina vao «nipoitra» ilay nosy-fasika, araka ny fiantsoan’ny matiloa azy taloha. Roa andro fotsiny anefa avy eo no nanaovan’ny sambo «Marius Moutet» ny dia miverina Tromelin-Toamasina avy eo.

Iraikambinifolo tamin’ireo olona nametraka ny fitaovana famantarana ny toetr’andro dia Gasy. Saingy, ny commis principal Rapiera ihany no voaray anarana, na dia misy sary niarahan’ny Gasy sy Vazaha tany aza, rehefa vita ny asa. Mbola noho ny fahasarotan’ny fitodiana am-pasika amin’i Tromelin, dia nivatsy lakam-piara vezo iray ry zareo. Navadikin’ny ranomasina anefa ilay lakam-piara ka «youyou» (sambokely fohy anefa mivelatra) no tafita ny ranomasina nasamboaravoaran’ny harandriaka.

Rehefa vita ny lalana ho an’ny fiaramanidina, dia Junker-52, nantsoina hoe «AAC 1 Toucan, n°372», ary mitondra ny sora-daharana F-SCLL, avy eo amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato no nihazo an’Antalaha vao nanohy hatrany Tromelin, ka tafapetraka soa aman-tsara ny 23 jolay 1954.

Tsiahivina fa akaiky kokoa an’i Madagasikara ny nosy Tromelin, noho amin’ny Maorisy na La Réunion. Tao amin’ny Revue de Madagascar ihany koa no nivoaka ny lahatsoratra nitantaràna ny dia tany Tromelin : Lacarrieu (J.) et Paulian (R.), «Voyage à l’île des cyclones (Tromelin)», RM, n°18, 1954, premier trimestre, pp.43-54.

Ny Gasy nanitsaka farany ny nosy Tromelin dia Rtoa Rasoarifetra Bako, arkeôlôgy nandray anjara tamin’ny fikarohana siantifika andiany fahatelo tamin’ny 2010.

«Tromelin : aux voleurs !»(Journal de l’île de La Réunion, 8 jona 2010), hoy «Zadefo» (Christian Chadefaux : Vazaha nonina 55 taona teto Madagasikara talohan’ny nandroahana azy, folo taona tsy hahafaty azy) raha vao vita sonia teo amin’ny governemanta frantsay sy maorisiana ilay fifanarahana mikasika an’i Tromelin (izay efa foin’i Didier Ratsiraka ho takian’i Maorisy) : tsy izy irery no mihevitra fa manana zo kokoa amin’i Tromelin i Madagasikara.

Nosin-tafiotra ho an’izay eny an-tanety, nosy-fasika raha jerena avy eny an-tsambo : Tromelin, tsy misy afa-tsy 1 km2, saingy manana ZEE (zone économique exclusive) hatramin’ny 285.000 km2. Tantara hafa, mbola hitohy.

VANF

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanabeazana sy asa fandraharahana Hiara-hiasa akaiky ny Club IST’Orique sy ny JEJOO
02-juin-2023

Sekoly ambony momba ny teknolojia ny IST ary lalam-piofanana lehibe telo no misy ao aminy izay tsy misy fampiofanana momba ny asa fanaovan-gazety.

Card image cap
Carpe diem Ho ampiainina etsy Isoraka miaraka amin’ny Doubl’e’nn
02-juin-2023

Antsika izao tontolo izao», io no lohatenin’ny fampisehoana ho entin’ilay mpiangaly mozika Rap efa nanamarika ny faraparan’ny taona 1990

Card image cap
Josephin Andriandrainarivo «Maka ozona amin’ny mpahary isika manovaova teny malagasy io»
01-juin-2023

Laharana faharoa amin’ny maha olona ny olona ny teny, hoy ny mpandala maha malagasy sady filohan’ny Fikambanan’ireo mpitsabo nentim-paharazana eto amintsika na ANTM, Josephin Andriandrainarivo.

Card image cap
Iray volan’ny ankizy Ankizy miisa 300 no notolorana fanomezana omaly
01-juin-2023

Hankalazaina mandritra ity volana jona ity ny iray volana ho an’ny ankizy. Tsy handalo fotsiny ihany izany ho an’ny vadin’ny filoha amin’ny alalan’ny fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny mponina.

Voir plus