airtel

kolontsaina

26-déc-2023

Tontolon’ny sarimihetsika sy fizahantany

Nanao fanodinana teto Madagasikara ny ekipan’ny Bollywood

Sample post image

Nisy ny fanodinana horonan-tsary nataon’ny ekipan’ny Bollywood, sangany amin’ny

26-déc-2023

famokarana sarimihetsika Indianina, izay malaza eran-tany amin’ny alalan’ireny tantara an-tsary mitohy ireny, teto Madagasikara teo anelanelan’ny 10-22 desambra lasa teo. Tanjona amin’io ny fanodinana horonan-tsary ho an’ny andaniny, fa tafiditra kosa amin’ny fampahafantarana an’i Madagasikara ka hahatonga ireo mpizahatany ho avy eto Madagasikara ho antsika. Angady nanana sy vy nahitana ity paikady iray ity noho izany ny Ofisim-pirenena momba ny fizahantany na ny ONTM sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Ireo mpamokatra sy olo-malazan’ny indostrian’ny simema Indianina no nitarika ny fanodinana izay nanehoana ireo mpilalao sarimihetsika malazan’ny Bollywood tamin’ny toerana ara-pizahantany maro tany Toliara sy teto Antananarivo. Teo ambany fiahian’ny Minisiteran’ny fizahantany izy ity, ary teo ihany koa ny fanohanan’ny governemanta Malagasy tamin’ny alalan’ny PIC (Pôles Intégrés de Croissance). Tanjon’ny tetikasa ny hampiroborobo ny faharisian’ny mpizahatany aty amintsika indrindra fa ho an’ny tsena Indianina, hoy hatrany ny fanamafisana. Naneho ihany koa ny ONTM, fa ny fandraisana ireo ekipa mpamokatra Indianina dia fandraisana anjara amin’ny fametrahana ny politikan’ny governemanta Malagasy izay mitodika amin’i Inde ho isan’ny tsena lohalaharana amin’ny tontolon’ny fitsidihana. Tafiditra ihany koa amin’ny paikadin’ny ONTM mba hanamafisana ny fampahafantarana an’i Madagasikara ny fandraisana mpamokatra horonan-tsary goavana maneran-tany tahaka izao.
Toky R

 


 

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Rahariva izany no fotoana miaraka amin’i Silo etsy amin’ny Enceinte Urban Futsal Galaxy Andraharo

Card image cap
27-mai-2025

Hanomboka amin’ny faran’ny volana jona 2025 izao ny fanodinana ny horonantsary

Card image cap