Nanazava ny Tonia Mpampanoa Lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo Rtoa Rakotoniaina Narindra Navalona ny alarobia teo, fa ara-dalàna ny fisavana natao ny Amphithéâtre Arena Ivandry satria amin'ny 5 maraina ka hatramin'ny 7ora no fanaovana "perquisition", ka ara-dalàna satria nanomboka tamin'ny 6 mahery ilay fisavana ny Amphithéâtre an'ny Arena Ivandry ny talata 12 mey teo. Naka mandat de perquisition ara-dalàna ihany koa ny mpitandro filaminana. « Nisy angom-baovao nahalalana fa misy fivoriana natao tao izay ahiahiana fa misy fikononkononana fandikan-dalàna. Antony nirosoana tamin'ny fanadihadiana, fisavana, fanakatonana an'ilay Amphithéâtre », hoy io mpitsara ambony io. Tsy nisy kosa fanakatonana ny fahitalavitra sy ny radio Viva. Tsy mbola misy fisamborana fa mitohy ny fanadihadiana…. Andaniny, miparitaka ny resaka Tale maromaro niara-niasa akaiky tamin-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy fony izy Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sy tao amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika nosamborina ny alin’ny talata lasa teo, ka tazonina ao amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava. Voalaza tao anatin’io fa anisany ny Tale Kabinetra sy ny Tale ara-bola (DAF). Tsy mbola nisy fanamarinana navoakan’ny manam-pahefana, fa raha loharanom-baovao ofisialy dia nilaza fa marina io. Andrasana anefa na izany aza ny mety hisiana filazam-baovao ofisialy manamarina na mandisoa an’io. Ny tsara hamafisina fotsiny, anisan’ireo Minisitera nahasoranana afera ara-bola goavana ny Serasera sy ny kolontsaina, raha ny tatitry ny Cour des comptes ny 19 desambra 2025 lasa teo. Anisany ny raharaha tranom-panjakana toy ny Maison de la communication et de la culture – MCC tao Morondava nirodana kanefa nandaniana vola. Tokony ho 1 miliara Ariary no lany taminy. 17 no nokasaina hatsangana manerana ny nosy, ka 21 miliara Ariary (eo amin’ny 85 milliards FMG) no teti-bola natokana ho amin’izany tamin’ny fitantanan-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy ny Minisitera. Voalazan’ny Cour des Comptes fa misy amin’ireo trano ireo efa naloa tanteraka ny vola (100%) nefa tsy vita ny asa, ary nisy mihitsy ny fampiasana taratasy fandraisana hosoka (« faux procès-verbal de réception »). Ny tany Amoron'i Mania ohatra, voalaza fa zara raha vita kanefa namoahana volabe. Tafiditra amin’ny 3811 miliara Ariary (eo amin’ny 19 000 milliards FMG) voahodinkodina vanim-potoana 2020–2025 io. Anisan’ireo mpitondra ambony nitsaitsaika voalohany niala an’i Madagasikara ny Minisitra sady loholona teo aloha Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy rehefa nangotraka ny toe-draharaha teto ny septambra-oktobra 2025. Ny tenany izay namerimberina matetika tamin'izany fa madio, tsy manana dosie,...
Toky R
Tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny
Miharihary ny zava-misy ara-politika sy jeopolitika
Naniry ny hitsidika ny Fonjan’i Manjakandriana