airtel

Politique

22-oct-2026

TALAKY-BAS,

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Sample post image

Misy mponina mitaraina noho

22-oct-2026

ny fanavakavahana ara-politika sy tsindry
Tena mila jerena akaiky ny toe-javatra iainan'ny mponina ao amin'ny Fokontany Talaky-Bas, Kaominina Antaritarika, Distrikan'i Tsihombe, Faritra Androy, hoy ny fampitam-baovao voaray avy any amin’ny solontenan’izy ireo. Araka ny fitarainana, dia mbola misy ny fanavakavahana ara-politika sy ny tsindry miantraika amin'ny fiainan'ny tantsaha sy ny olon-tsotra any an-toerana. Voalaza fa misy olona mifandray amin'ny antoko politika MAPAR milaza ho tompon'ny tanàna, ka miteraka fisaratsarahana sy fifandirana eo amin'ny fiarahamonina izany.
FANAVAKAVAHANA, FANILIHANA
Ny tena mampalahelo , hoy ny fampitam-baovao dia ny filazan'ny mponina fa misy olona tsy manaraka io antoko politika io no voahilika amin'ny tombontsoa tokony ho azon'ny vahoaka rehetra. Voalaza fa olona heverina ho akaiky ny vondrona politika iray ihany no mahazo tombontsoa, fa ny hafa kosa tavela any aoriana.Misy raharaha iray tena mila fanazavana mahakasika ireo sefo Fokontany nesorina tamin'ny toerany hoy ny fitarainana satria araka ny vaovao voaray, dia nisy tamin'izy ireo no nesorina noho ny tsy fanarahana ny antoko politika MAPAR. Misy zavatra tokony ho jerena ao hoy ireto mponina ireto ary manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra mahefa izy ireo mba: handinika sy hanadihady tsy mitanila ny raharaha mahakasika ireo Chef Fokontany sy ny Arrêté navoaka. Hanamarina raha misy fanavakavahana ara-politika amin'ny fizarana ny tombontsoa sy ny fanampiana tokony ho azon'ny mponina.Hiantoka ny fanajana ny lalàna sy ny fitovian-jo ho an'ny olom-pirenena rehetra, na inona na inona firehana ara-politika.Handray fepetra mifanaraka amin'ny lalàna raha voaporofo ny fisian'ny fanararaotam-pahefana na fanavakavahana ary hihaino ny feon'ny vahoaka ao Talaky-Bas, indrindra ireo tantsaha izay maniry ny hiaina am-pilaminana sy hahazo ny zony ara-drariny.
FIHAVANANA SY FITOVIAN-JO
Nanamarika ireto mponina mitaraina ireto fa tsy mitady ady amin'iza , tTsy mikendry ny hanaratsy antoko politika na olona manokana ihany koa. Fa ny tanjona dia ny hiaro ny fihavanana, ny rariny, ny fitovian-jo ary ny fandriampahalemana eo amin'ny fiarahamonina.Tsy tokony hisy olom-pirenena ho voahilika noho ny firehany ara-politika. Tsy tokony hisy tantsaha hatahotra ny hilaza ny marina na hitaky ny zony. Ary tsy tokony hisy olona hihevitra fa azy manokana ny tanàna iray, satria an'ny vahoaka rehetra izany. (Sary fanehoana)
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

22-oct-2026

olon-dRajoelina mamahan-dalitra ao !»

Card image cap
22-oct-2026

Miato, miandry ny hevitry ny HCC ny PAC

Card image cap
22-oct-2026

ity fitondràna ity raha te hametraka tsara!»

Card image cap
21-oct-2026

politika izay vao fikaonan-doham-pirenena

Card image cap
21-oct-2026

finiavana politikan’ny mpitondra…»

Card image cap
21-oct-2026

Mila toetsaina vaovao sy

Card image cap